MANGINA AMBOHIDAHY

Indreo mangina iretsy avo, tsy miteny tsy mivolana.
Efa tena tsisy hafitsoka sa tsy manam-bahaolana?
Toa mandrirarira fotsiny sy tsy manana hambara,
Na dia miankina aminy aza izay ho tohin’ny tantara!

Indreo mangina iretsy avo, toa manolanolan-tanana.
Hisy ihany sa tsy hisy izany atao hoe fifidianana?
Teny avy aminy no ilaina sady andrasan’ny mpitolona,
Saingy hatreto iretsy « sivy », tena toy ny tsangan’olona!

Indreo mangina iretsy avo, hita ho tsy misy hafitsoka.
Na ny hidin-tranony aza efa hita ho mipitsoka!
Hatramin’ny lalàna fototra no tsy sahiny ampiharina,
Efa takona tanteraka sa namidiny ny marina?

Indreo mangina iretsy avo, toy ny efa lany vatsy.
Inona no tena heviny? ny hampandresy indray ny ratsy?
Ry mpitsara, mandiniha, ka dia meteza hisaina tsara,
Sao vao mainka indray hilentika ito Madagasikara!

DADAN’i ZINA (25-10-23)