TANDREMO TANDREMO SAO DISO SAFIDY

(Sary nindramina https://bit.ly/3FwEoFJ)

Aza mba ho isan’ny naman-dRatelo
Na koa ho sakaizan-dRateloambinifolo,
F’ireo dia jiolahy tena mampalahelo
Sy tena kalaza amin’ny lainga daholo.

Toa vatana foana, tsy misy fanahy,
Fa dia vola sy hery no tiany ampiasaina.
Madera tazanina ery ry zalahy
Saingy tena manao tsinontsinona ny aina!

Ny miady ary koa ny mampiady no hainy,
F’izay no mba vokatry ny fikarohany.
Hampiasa hery foana no masaka an-tsainy,
Raha momba izany dia izy no lohany!

Aza mba ho isan’ny naman-dRatelo
Na koa ho sakaizan-dRateloambinifolo,
Fa efa miandry azy ny lavaky ny helo,
Na mbola impiry aza izy no hiova volo!

…Tandremo tandremo sao diso safidy,
Raha vao misy « telo » dia ialao malaky.
Tsy ny gasy sandoka no mbola handidy,
Na koa ny mpamilin’ilay sambo vaky!

TSIMIMALO (25-10-23)