Siteny Randrianasoloniaiko sy lavasanga – Samy mpanakorontana sy mpiatsaravelatsihy

Lanzelo

Anaty ny fampielezankevitra ataony any Vohémar ny kandidà Siteny Randrianasoloniaiko no milaza izao amin’ireo miatrika ny kabariny: “Ny vahoaka malagasy rehetra, ny vahoakan’i SAVA, ny vahoakan’i Vohémar, handefa ary handroaka ny olona manana nationalité vazaha hiala eto Madagasikara”.

Toa mivohy fanakorontanana izany filazana izany. Vahoaka milamina no tiana rangitina hankahala vahiny. Izany ve tsy mendrika ho samborina? Tsy fomba fisainana ao anaty ny COLLECTIF DES CANDIDATS mihitsy izany ary tsy mahagaga raha tsy nanao sonia ny fanambarana miaraka teo anatrehan’ny vahoaka teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny tenany ny sabotsy 21 oktobra teo.

Ny mahavariana dia toa tsy Malagasy iringiriny ny vadiny, izay tanànan’i Bourgas, Bulgarie no fiaviany araka ny vaovao fantatra.

Araka izany dia toa mirona any amin’ny fanaoan-dry Rajoelina sy ireo forongony ihany izao fihetsika asehon’i Siteny Randrianasoloniaiko izao, mivohy fanakorontanana sy fankahalàna. Raha tsy mety amin’i Rajoelina izao fihetsika izao dia efa tonga teny ny herimpamoretana. Saingy angamba toa isan’ny nantonina araka ny notaterin’i Roland Ratsiraka tamin’ny mpanao gazety, ary inoana fa nanaiky ny tolotra vola sy fitaovana entina hanaovana fampielezankevitra.