TSY EKENA NY HISIAN’NY FIFIDIANANA

Tsy ekena ny hisian’ny fifidianana
Raha mbola manjaka ny fividianana,
Satria azo antoka sy inoana
F’izany dia ho fandaniam-potoana.

Tsy ekena ny hisian’ny fifidianana
Raha toa mbola misy ireo lava tanana,
Izay mamafy vola ary koa mividy
Ny tena safidin’ireo mpifidy.

Tsy ekena ny hisian’ny fifidianana
Raha toa mbola entina hanohanana
Ilay andry boboka tsy mijidina,
Izay hitondra loza ho an’ny manodidina!

Tsy ekena ny hisian’ny fifidianana
Raha toa tsy hitondra ho amin’ny fiadanana,
Fa mbola vazaha no hanjakazaka
Sy hihevitra hatrany fa tompondaka!

IRINA HO TAFITA (24-10-23)