Kandidà Roland Ratsiraka – Ampamoaka mikasika an’i Rajoelina sy ny “governemantany”

Lanzelo

Folo andro lasa izay ny kandidà Roland Ratsiraka no nasain’olona miara-miasa amin’ny kandidà Andry Rajoelina. Namaly izany fanasàna izany ny tenany raha toa ka nanantena hiresaka fomba hirosoana amina fihaonana an-databatra boribory. Kinanjo firosoana amin’ny fampielezankevitra no resaka ka ho raisin’i Andry Rajoelina an-tanana ny famatsiana fitaovana sy vola. Ny tetika amin’izany dia hisintonana kandidà hiroso amin’ny fifidianana, hampiseho ny vondrona iraisampirenena fa maro ny mpandray anjara ary hamono ny hetsika tarihin’ny Collectif des candidats. Nanambara mantsy ny vondrona iraisampirenena fa raha vitsy an’isa ireo mandray anjara amin’ny fifidianana dia tsy ho ekeny izay voka-pifidianana eo. Tsy nahomby taminy anefa izany tetika izany satria nolaviny avy hatrany izany tolotra izany ary dia nanaovany ampamoaka androany (24/10/2023) teo anatrehan’ireo mpanao gazety. Tsy fantany kosa izay kandidà na ny isan’izy ireo nantonina sy notadiavina ho fandrihana hamadika ny tolona.

Tsy vitan’izay ihany ny ampamoaka nataon’ny kandidà Roland Ratsiraka fa dia nampiany koa fa misy ministra ao amin’ny governemanta no mitondra vola be amin’ny andro alina any amin’ny foiben’ny antokon’i Andry Rajoelina. “Governemanta amintsika miteny izao, mbola mamatsy vola ny Arena,… mbola misy izany amintsika miteny izao”, hoy izy.

Tsinjo araka izany fa tsy miserana ao an-tsain’i Andry Rajoelina sy ireo forongony ireto na dia kely aza ny hiroso amina fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Mandrovi-tsihy mihitsy i Andry Rajoelina satria fantany fa tsy ara-dalàna ny firotsahany ho kandidà noho ny fangatahany sy nahazoany ny zompirenena frantsay tamin’ny taona 2014. Ny hany faraheriny dia mividy vola ireo izay mora tambazana, ary mampiasa herisetra sy famoretana. Dia ho hita eo raha haharesy safidim-bahoaka tonga saina ny vola fafy katran’ireo fozaorana ireto.

—-https://youtu.be/2-Pt2TtFJVA?si=mGt3PL3iUGNCErQ8

https://fb.watch/nTzq_5MCGS/?mibextid=cr9u03