IZAHAY TSY HO VOAVIDY

‘Zahay tsy ho voavidin-dry mangavato,
Na koa ry domelina tranon-dainga.
Mitohy izany dia ary tsy hiato,
Ho antsika mpitolona niara-niainga!

‘Zahay tsy ho voataonan’ilay be vatana
Na inona paika sy fanentanany,
Fa ny fiafaràny dia ho any am-patana,
Tsy ho ela dia ho hitan’ireo taranany!

‘Zahay tsy ho voataonan-dry volafasika,
Tsy ireny aminay no fanalahidy.
Ny fahamarinanay tsy ho voakasika,
Mahantra izahay nefa tsy ho voavidy!

‘Zahay tsy ho voavidin-dry be afera,
Satria samy manana izay andrasana.
Ny volan’iretsy miliaridera,
Aleo hiaraka aminy hankany am-pasana!

DADAN’i RIANA (23-10-23)