Solontenan’ny kandidà Andry Raobelina – Mbola nangataka hanemorana ny datim-pifidianana teny amin’ny HCC

Stefa

Mbola nangataka ny hanemorana ny datim-pifidianana teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) indray omaly, ny solontenan’ny kandidà Andry Raobelina, izay mbola mitsabo tena any ivelany. Tafapetraka omaly maraina teny Ambohidahy tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy ny taratasy avy amin’ny kandida Andry Raobelina, milaza ny fisiana toe-javatra tsy azo anoharana ka mitaky hanemorana ny datim-pifidianana, araka ny voalazan’ny andininy faha 47 andininy faha-4 ao amin’ny lalampanorenana.

Ambaran’ity andininy ity, fa raha misy fahafatesana mpilatsaka hofidiana alohan’ny fihodinana iray amin’ny fandatsaham-bato, na koa misy toe-javatra hafa tsy azo anoharana voamarin’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ara-dalàna, dia ahemotra amin’ny vaninandro vaovao ny fifidianana araka ny fepetra sy araka ny fombafomba izay ho faritana amin’ny alalan’ny lalàna fehizoro.

Mbola mitsabo tena atsy amin’ny nosy Maorisy, noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny masony, vokatry ny lakrimôzena nataon’ny herim-pamoretana teto an-drenivohitra ny kandida Andry Raobelina. Tsy fahafahana miasa na mihetsika mandritra ny iray volana no nomen’ny dokotera azy, ka angatahany izao fanemorana fifidianana izao.