Antsonjombe, Andranomena, Talatamaty – Tonga marobe ny olona, efa tena tsy rariny loatra ny zava-misy

Isambilo

Na fotoana fohy, ora vitsivitsy monja aza no nanomanana ny hetsiky ny vondron’ireo kandidà, sy ireo depiote miara-dia amin’izy ireo, teny amin’ny Coliseum Antsonjombe, an’alin-kisa ireo mpiara-dia amin’izy ireo tonga teny an-toerana ny sabotsy teo. Efa tamin’ny ora farany, efa hariva tamin’ny 7 ora vao namoaka ny fanomezan-dalana ny Prefet an’Antananarivo. Na izany aza, tonga ny mpitolona, satria efa tena tsy rariny loatra ny zava-misy eto amin’ny firenena. Nohamafisin’izy ireo teny fa mitaky ny hisian’ny fifidianana madio ny Vondron’ny kandida, notronin’ny solombavambahoaka sy loholona manohana miara-dia aminy.

Navoitr’ireo nandray fitenenana ny hanafoanana ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC), ka hosoloina CES, torak’izany koa ny hanovana ny firafitry ny CENI, ny fandravana ny Governemanta iaraha-mitantana izay ambarany fa mitanila amina kandida tokana. Takiany koa ny fanajana ny Lalampanorenana, ka nanekeny kandida mizaka ny zom-pirenena vahiny. Nisy fanambarana iombonan’ireo kandida, nosoniavin’izy ireo ampahibemaso namaranana ny kabary nifandimbiasana, notaterin’ny kandidà Hajo Andrianainarivelo: “rehefa avy nihaona sy niresaka tamin’ireo vondrona maro isan-karazany toy ny :
– Ny Raiamandreny ara-panahy,
– Ny Fiaraha-monim-pirenena,
– Ny Communauté Internationale.
– Ny Syndicat.
– Ny raiman-dreny ara-drazana.
– Ny antoko sy vondrona politika maro.
– Ny fikambanana samihafa.

Etsy andaniny, Dia MIOMBON-KEVITRA amin’izy ireo izahay 11 mirahahy mivondrona ao amin’ny « collectif des candidats », fa ilaina ny fifanatonana an- databatra boribory, mba hananana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra.

Ary etsy ankilany dia misy ny candidat namanay Andry Raobelina izay ao anatin’ny tsy fahasalamana tanteraka ary voatery nalefa notsaboina any ivelany: ka tsy afaka manao fampielezan-kevitra noho ny ratra nahazo azy nandritra ny fitakana izay niarahana.

Koa dia nifanaiky ary nanapakevitra izahay, fa ho fampiharana article 47 ao amin’ny lalam-panorenana ary hafahana manantanteraka ireo fitakiana iombonana ireo dia tsy ekenay ny hanatanterahana ny fifidianana ny 16 novembre 2023 izao.

Koa miantso ny vahoaka malagasy rehetra tsy ankanavaka na sivily na miaramila na ireo olom-boatendry na olom-boafidy hanatevina ity tolona ity, ho tombontsoan’ny Firenena sy ny Vahoaka Malagasy.

Ny omaly kosa, teny Andranomena no niainga ny diabe am-pilaminana, nihazo an’Ambohibao, Imerinafovoany, Talatamaty ary nipaka teny Mandrosoa Ivato ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Namafasin’ny rehetra fa :
-Tsy mihemotra isika na inona na inona mitranga.
-Betsaka ny fanantenana na dia tsy mitovy hevitra aza.
-Mila miray hina, ary aoka tsy hifanilikilika.
-Tsy ekena ny governemanta mitanila.
-Tsy ekena ny HCC manapa-kevitra amin’ny tsy alehany.
-Tsy ekena ny CENI mamorona fokontany sy biraom-pifidianana matoatoa.
-Misy tsy mitovy ny fomba fitantanana ny samy mpitandro filaminana, tsy rariny, sy tsy mety izany.
-Fampielezana hevitra ihany koa izao atao izao, ka tsy tokony ho sakantsakanana.