Sendikan’ny Mpiasam-panjakana – Mandrangaranga fitokonambe ny SSM

Niaina

Nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly, ny firaisankinan’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara (SSM), tamin’izany no nandrangarangan’izy ireo fitokonambe eto amin’ny firenena raha tsy hisy ny fifampidinihana amin’izao olana politika eto amin’ny firenena izao noho ny resaka fifidianana. Nilaza ireo mpitarika sendikaly, fa hakatson’izy ireo ny asam-panjakana raha tsy misy vahaolana haingana amin’izao olana eto amin’ny firenena izao.

Nametraka “préavis de grève” 72 ora tamin’ny minisitera isan-tsokajiny omaly firaisankinan’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana. Mila mitady vahaolana ireo mpanao politika, Kandida filoham-pirenena, fanjakana manoloana ny savorovoro politika ao anatin’ny 3 andro hoy izy ireo.

Tapitra ny 72 Ora, hampikatso ny asam-panjakana rehetra ny mpiasa raha tsy misy ny vahaolana. Miantso ny mpiasa rehetra hijoro, ka hijery ny tombontsoan’ny tanindrazana ny SSM na ny firaisankinan’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana eto Madagasikara.