Ambanja faritra Diana – Mitaky fifidianana madio koa ny vondron’ny kandidà 11

LW

Mijoro any Ambanja faritra Diana ihany koa ny solontenan’ny vondron’ny kandidà miisa 11. Saika hanao diabe am-pilaminana namakivaky ny tanànan’ny renivohitr’i Sambirano izy ireo ny sabotsy teo, saingy tsy nahazo alalana. Noho izay antony izay, nifamory tao amin’ny kianja fanaovana basket-ball tany Ambanja ireo mpiara-dia amin’ireto vondron’ny kandidà 11 ireto.

Toy ny aty amin’ny foibe aty an-drenivohitra, mitaky fifidianana madio izy ireo, mitaky ny fanovana ny HCC sy ny CENI koa, ary ny governemanta, izay samy mitanila, ka tsy antenaina ny anomanan’izy ireo fifidianana madio sy mangarahara ary ho eken’ny rehetra.

Mitohy ihany koa ny tolona any an-toerana, mandra-pivalian’izany. Nisalotra akanjo fotsy koa ireo nanatanteraka ny tolona tany Ambanja izao.