Robert, Tanora KMMR Analamanga – Miantso ny mpahay lalàna, ny mpitandro filaminana hitodika amin’ny vahoaka

Isambilo

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao i Robert Rabenarisoa, filoha lefitry ny Tanora KKMR Analamanga. Nambarany fa manimba ny firenena ny HCC minia mikimpy sy mitanila amin’izao fotoana izao io. Ny lalàna hainy, ataony sary tsy hay, no mahatonga izany fahasimbana eto amin’ny firenena izany hoy ity mpanao politika tanora ity. Noho izay antony izay, miantso ny mpahay lalàna sy ny mpitandro filaminana izy hitodika amin’ny vahoaka, izay tompom-pahefana.

Arahabainy ihany koa ny vahoaka nahazo ny vondron’ny kandidà 11 mitarika sy mitaky izay hetahetam-bahoaka izay. Fitondran’Andriamanitra hoy ihany izy, ny fisian’ny vondron’ny kandidà 11, koa handao hifanome tanana amin’izy ireo hanavotra ny firenena, ka Madagasikara tsy misy rà latsaka, tsy misy fahoriana intsony, toy izay niainana nandritra ny 5 taona izay no kinendry.

Arahabaina ihany koa ny vahoaka hoy izy, nahazo ireo vondron’ny kandida hamerina ny fiandrianam-pirenena eto amintsika, satria i Andry Rajoelina nandritra izay 5 taona izay dia nanome vahana ny vahiny, tsy nijery afa-tsy izy ireo, satria mizaka ny zom-pirenena Frantsay toa azy. Manjaka ny tsy fandriampahalemana indrindra ny any ambanivohitra, any no tokony hatevenin’ireo mpitandro filaminana, fa tsy manenjika mpitolona amin’ny lakrimôzena, araka ny namaranany ny fanehoan-keviny.