Raharaham-pirenena – Mahazo vahana ny tolona miakanjo fotsy

Beharo

Ndao mba hiaraka aminay hoy ry fotsy akanjo, izany lohatenin-kira izany no fanentanana nataon’ireo marobe raha ho eny amin’ny Colesium Antsonjombe izy ireo ny sabotsy lasa teo. Tsy adino koa anefa tamin’antsoantso sy hirahira ny hoe: E! e! ………ny Hcc no azon’ia-lahy jonoana; fa ny malagasy tsy azon’ialahy vonoina, ny mpanohana vondrona kandida 11; tsy voavidy vola, sy ny hoe: zahay malagasy tsy mila vazaha, sns…

Teny am-pilaharana sy teny an’Antsonjombe dia niezaka nanontany ny mpanao gazety hoe: inona no tena mahaliana anareo amin’ny vondron’ny kandidà 11 (K11)? Tsy naka sarotra ny mpivady efa zokiolona ny namaly, fa raha kandida 11 ve no efa mitambatra toy izao mahatsapa ny tsy rariny ataon-dRajoelina, tsy aleo mba manohana ny K11, fa sao dia very eo, ny firaisankina no hery hoy ry zareo. Nilaza koa ny ramatoa efa misotro ronono iray, fa tany aloha ny pension raisinay dia mba mety amin’ny vary, sy menaka, siramamy, nefa ankehitriny dia miferotr’aina tanteraka, zara raha mihinana. Nisy kilemaina nilaza koa fa manotrona ny K11 ny tenany mankahery azy ireo, ny hevitra no mety tsy itovizana, fa ny fibanjinana ny ho avy dia tsara tokoa, mitsinjo ny tsy salama ara-batana toa azy, ary aleo tokoa misoroka dieny izao toy izay mitsabo lava eo.

Ilay rangahy voakasi-tànana teny Ampasampito raha tonga teny amin’ny Colesium dia nilaza fa tsy rariny, jadona, tsy manao afa-tsy fandrangitana satria akaiky zandary dia manararaotra. Tsorina hoy ny maro fa raha ireny mpanaradia an-dRajoelina teny amin’ny Malacam, Besarety, sns… iny, dia vitsy raha oharina amin’ireo mpanao akanjo sy lamba fotsy, satria ankizy mbola tsy mifidy, tsy ampy taona no betsaka, voakarama vola sy akanjom-bazaha daholo.

Hita sy tsapa arak’izany fa mahazo vahana ny tolona miakanjo fotsy eto amintsika, tsy eto an-drenivohitra ihany io, fa hatrany amin’ny faritra araka ny vaovao voaray. Vehivavy iray avy eny Avaradrano dia nalahelo tokoa nahita ny zava-nitranga teny Itaosy, ka mba te-hampiseho mihitsy ny sabotsy teo, fa fanjakana mpandainga, mpamono olona, ka tsy levon’ny vavony intsony, aleo miandry an’i Dada hatrany, hoy izy ireo. Tsorina hoy ny tanora avy any Bongolava sy Vakinankaratra ary Boeny, izay nandefa hafatra tamin’ny gazety, fa fitondrana karazan’ny jiolahimboto no misy, ka tsy mila arodana. Mpifankatia mpianatra Ankatso, raha nanontaniana dia nitsotra fa ny ny K11, no azo antoka fa hamerina ny anjaran’ny mpianatra sy mpampianatra, ary mitsinjo izany fifidianana madio izany, tsy mitanila, ka tsy ho teteza-mita mamitaka eo indray fony izahay mbola kely tamin’ny taona 2009 ireny. Nanamarika izy ireo fa izao vao mahita ilay filoha teo aloha, izay mpandainga.