24 Oktobra – Taratasin’ny mpamaky

Malagasy Tsara

Fampahafantarana alefa amin’ny rehetra izao tara-tasy manaraka izao. Ny FIARA 4×4 MERCEDES BLINDÉE 6677 TAC an’ny filoha Marc Ravalomanana.

Efa tany amin’ny taona 2000 tany no nividianan’ny Fianakaviana Ravalomanana ity fiara 4×4 Mercedes blindée ity, ary roa mitovy amin’io no ananany. Ny isa 77 amin’ny laharan’ny fiara dia manamarika ny taona 1977 nampiroborobo ny orinasa TIKO, sy nahazoany fiara voalohany (77 ihany koa ny fiafaran’ny laharan’ilay fiarany voalohany).

Tamin’ny taona 2002 dia efa ity fiara ity no nitondra ny Filoha Ravalomanana teny amin’ny kianjan’ny 13 mai sy nampiasainy. Mbola ity fiara ity ihany koa no niton-dra azy sy ny ankohonany nandritra ny fampielezan-kevitra 2006.

Nandritra ny fanonganam-panjakana 2009 dia nisy naka ny fiara mercedes roa an’ny fianakaviana Ravalomanana ary tamin’ny taona 2017 vao fantatra, fa i Alain Ramoroson no naka sy nitazona ireo fiara mercedes roa ireo. Rehefa voaheloka higadra i Alain RAMAROSON dia ny vadin’ity farany no tonga teny Faravohitra niresaka tamin’ny Filoha Ravalomanana, nilaza fa haveriny ny fiara roa raha manome vola mitentina “400 millions fmg” azy ny Filoha RAVALOMANANA, saingy tsy nanaiky ny Filoha Ravalomanana, fa avy hatrany dia nanao ny “procédure” rehetra ary nandefa vadintany teny Andoharanofotsy naka ny fananany, ka niverina taminy ireo fiara roa ny volana janoary 2017. Simba moa ireo fiara roa ireo ka nalefa avy hatrany tany Al-lemagne namboarina.

Ankehitriny dia mbola ampiasain’ny Filoha Ravalomanana Marc ity fiara ity ary tsy foiny, mbola matanjaka tsara rahateo ilay fiara na dia efa aman-taonany maro aza.