NY MITONDRA FIRENENA

Tsy vatana be no ilaina amin’izany
Na koa hoe ny anarana maha tompondaka,
F’ireny dia toa takonkenatra ihany,
Tsy dia mampafana fa toy ny salaka.

Ny tsy ampy solaitra no miseho milay
Ary mirehareha amin’ny zava-toy ireny,
Fa ny olona kinga no sady mahay,
Dia mangina f’izany no hoe fahendreny.

Fa misy ireo sahy mampidera ny hareny
Sy tena mividy ny ambany tanàna,
Kanefa dia tsy ampy raha ‘zay volabeny,
Fa mila traikefa sy fahalalana.

Ny lainga sy fitaka koa no mazàna
Fampiasan’ny vendrana tsy misy hapoaka.
Aza mety hofitahin’ireo menarana,
Mahaiza mifantina re ry vahoaka.

IRINA HO TAFITA (23-10-23)