EDITO 24 Oktobra – Lalan’Antananarivo – Tsy sahaza ny mpitatitra sy ny mpampiasa lalana intsony

Beharo

Tsentsina amin’ny lafiny maro ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Mpamily fiarakodia maro no tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, nilaza fa tsentsina amin’ny lafiny maro tokoa ny làlana amin’izao fotoana. Ry zareo mpanao asa fitaterana, na ireo mpitondra taksi, dia nilaza fa amin’ny andavanandro dia voatsembatsemban’ny taksi moto ny asan’izy ireo, na ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana izany na ny fidiram-bola izay enjehina, satria tsy tratra intsony ny vola omena ny tompon’ny fiara amin’ny ankapobeny. Fantatra fa maro amin’ireny koa no tsy manara-dalàna amin’ny fitaterana, tsy manana karatra fitondrana fiarakodia sy moto.

Ny saran-dalana koa dia simba arak’izany, ny an’ny taksi dia manodidina ny 1 alina Ar ny dia eto an-drenivohitra, fa ny taksi moto dia 4 arivo Ar eo ho eo ny làlana fohy indrindra, ka votsotra ny anjaran’ny mpamily fiara karetsaka, nefa azo antoka kokoa ny mandeha fiara taksi miohatra amin’ny kodiaran-droa. Ankilan’izay ny toetry ny làlana dia tsy sahaza ny mpitatitra intsony, misy ireo izay natsaraina mba hanenjehana ireny Lalaon’ny Nosy ireny, misy koa izay hampiasain’ny manampahefana matetika, nefa dia odian-tsy amboarina raha misy fokontany tsy misy olo-malaza, toy ny eny ambany toerana, 67ha, Ankazomanga, Manjakaray, sns…

Marihina koa anefa fa fotoam-pahavaratra isika izao, ny orana sy ny andro ratsy efa manomboka, nefa tsy mba hita izay fanamboarana ireny làlana fampiasa isan’andro ireny, na vita fa vita kitoatoa fotsiny, ary ry zareo mpampianatra mitondra fiarakodia dia nilaza fa fanimbana fianarana toy ny eny Ankatso ny zava-misy amin’ny faharatsian’ny lalana amin’izao fotoana. Ny hita sy tsapa, efa misy manomboka simba sahady ireo lalana vao namboarina tsy ela izay eto an-drenivohitra.