VOANGORY SA VOANTAY ?

Tsy ilaozan’ ny iray izay manivaka akory
Ny tolom-bahoaka izay nifanekena.
Mazàna ny lohany tsy ary ho voangory,
Fa misy voantay ka dia mampahonena!

Dia mihevitra haningana sy handeha irery
Fa hoe tompondaka amina haiady.
Mazava izy ireny, tsy maintsy ho very,
Tsy lasa mankaiza dia efa any an-kady!

Raha hoe vorompotsy dia fomba fiteny
Ny « izay tsy milahatra dia vaky atody ».
Mba fantampantaro koa ny toy ireny,
Fa dia kilasiana ho « sakaiza manody »!

Dia asa i Mpanivaka sy Rainilainga
Raha hoe hiara-dalana koa atsy ho atsy,
F’ianao ry mpitarika mba niara-niainga,
Tohizo ny dia dia tohero ny ratsy!

TSIMIMALO (22-10-23)