AOKA HO MAILO RY IRAIKAMBINIFOLO

Misy ireo kendrena hailika raha ny sarisary tazana,
Kilasiana ho mahery sy heverina ho mazana.
Efa enjehina isan’andro sady anaovam-pingampingana,
Isaky ny mba miseho sy isaky ny mba mandingana.

Misy ireo kendrena hailika raha ny sarisary tazana,
Ary hazaina hatrany hatrany sy tadiavina hofafazana.
Hamoronana hevi-petsy sy hananganana sakoroka,
Saingy hatreto tsy mahomby ny hevi-dratsy sy mavoroka!

Misy ireo kendrena hailika raha ny sarisary tazana,
Saingy hatreto dia mandresy ilay hoe « ho an’ny tanindrazana »!
Na dia eo ireo fomba ratsy, ambany sy mirefarefa,
Indreo « ny iraikambinifolo » fa tsy miomana hilefa!

…Misy ireo kendrena hailika  sy ezahina hosakanana,
F’ireo no heverina ho fositra tsy mampisy fifidianana.
Kivy anefa iretsy foza, tsisy mba miraharaha,
Fa very maina ny fiarovany ilay kandidà vazaha!

DADAN’i RIANA (21-10-23)