MIKOMBONA NY VAVAM-POZA

Mikombona ny vavam-poza, mbola tsisy toy ny androany.
Kivy ratsy ry vazimba, inoana fa dia hitomany.
Ho an’i kandidà vazaha: ny entana no ahoròny
Fa mazavabe ny sary, ianao dia tsy ho tafa intsony!

Mikombona ny vavam-poza, tena feno Antsonjombe.
Manjoretra ireo laoranjy, folaka ny lakile.
Ho an’i Baomba sy ny tariny: meteza re hanaja tena,
Avelao ny herisetra fa izay no fahendrena!

Mikombona ny vavam-poza, be dia be no hanjoretra.
Tsisy iray mba hoe nahomby irony tetika rehetra!
Tsisy aloha ny fifidianana, izay no teny nampitaina,
Ka dia asa i Rainilainga raha mba tena ho tonga saina!

TSIMIMALO (21-10-23)