RY ZANDARY RY ZANDARY !

Atsaharo ny herisetra sy habibiana ry zandary,
Fa ‘nareo hatrany fatrany no matetika azo sary.
Mbola hisy ny fotoana izay natao mba hanadinana,
Tsy ireny ilay atao hoe fitandroana filaminana!

Eny ekena f’ianareo dia mpankatò ny teny midina,
Saingy misy be galona efa tena lohan’angidina.
Ka samia mandanjalanja, saintsaino izay atao,
Fa sao hivaly sy hifotitra amin’ireo taranakao!

Atsaharo ny herisetra sy habibiana ry zandary,
Fahorian’ireo vahoaka, hitanao miharihary.
Ka matoa mandeha hatrany ny antsoantso sy hoakoakany,
Misy zava-tsy milamina, tena feno ny kapoakany!

Atsaharo ny herisetra sy habibiana ry zandary,
Aoka tsy ho ratsy tsiro, hatsatso toy ny loham-pary.
Tombontsoam-pirenena no asandrato mba ho ambony,
F’aza ny an’ity voalaza ho efa hoe tsy gasy intsony!

TSIMIMALO (21-10-23)