Antsakaviro, Ambanidia, Manakambahiny – Tsy mihemotra amin’ny fandràran’i Préfet ny vondron’ny kandida 11

Isambilo

Tsy mihemotra amin’ny fandràran’i Prefet ny vondron’ireo kandida 11 omaly, niainga teo Antsakaviro ny diabe am-pilaminana, nihazo an’Ambanidia ary tonga teny Manakambahiny.

Niha-maro ny olona nanaraka ny diabe na kilometatra vitsivitsy aza ny halaviran-dalana naleha. Nangorom-potsy ny nolalovan’ny hetsika, satria ny akanjo fotsy no ankamaroan’ny nanaovan’ireo mpilahatra. Na teo aza ny fandràrana ny hetsika rehetra, ankoatra ny fampielezan-kevitra mikasika ny fifidianana filoham-pirenena nataon’ny Prefet-n’Antananarivo dia tsy nahasakana ny vondron’ny kandidà izany. Efa niatrana teo Bel’Air ireo mpitandro ny filaminana maro. Nanaraka ny « route circulaire » nihazo an’Ankorahotra ireo mpanao fitakiana hiverenana amin’ny ara-dalàna, hisian’ny fifidianana madio, nizotra ampilaminana niakatra Ambanidina, ary nidina an’i Manakambahiny.

Nifandimby nandray fitenenana ireo kandida teo anoloan’ny Cité des prof Manakambahiny. Teo ampanaovana tatitra ny fihaonan’ny Collectif des candidats, tamin’ireo masoivoho iraisam-pirenena teny Ankorondrano omaly, sy fanazavana ny fikasana ny hisambotra ny mpamily ny filoha Marc Ravalomanana, no nipoitra avy any Tsimbazaza ireo mpitandro filaminana maro be, ka dia tapaka teo ny fizaram-baovao sy fanentanana nataon’ireo kandida. Niala ampilaminana teny an-toerana ireo kandida sy ny mpanaradia azy ireo.