Saoferan’ny filoha Ravalomanana – Karazan’ny nalaina an-keriny tao an-tranony ny vadiny

Stefa

Karazan’ny nalain’ny mpitandro filaminana tsy nanao fanamiana an-keriny tao an-tranony teny Ambohipo omaly vao maraina, ny vadin’ny mpamily ny kandidà filoha Marc Ravalomanana, izay nolazaina fa nanitsaka vehivavy ary namoy ny ainy teny Andavamamba. Ny horonantsary teny Andavamamba ny talata lasa teo anefa dia maneho mazava, fa tsy nisy vehivavy voadonan’ny fiaran’ny kandidà filoha Marc Ravalomanana izany teny an-toerana tamin’iny andro iny. Mihevitra ireo manam-pahefana fa rehefa tsy hita ilay sofera dia ilay vadiny no natao sambo-dokotra. Zavatra tena tsy rariny ary tsy manaja ny zon’olombelona, satria araka ny vaovao azo teny Ambohipo, marary ity vadin’ny saoferan’ny filoha Ravalomanana ity, nefa dia izao karazan’ny nalaina an-keriny izao, zavatra mety hampihombo ny aretiny. Mahakasika ity raharaha ity, tsy nisy fitoriana nataon’ny fianakavian’ny maty ary mazava ny horonantsary, fa tsy nandona olona ny fiaran’ny kandidà filoha Ravalomanana, noho izany tsy tokony hisy haha-voasaringotra ny saoferany.