Didy avoaboaka fahatany – Mametra-pialana no mety amin’ny Prefet tsy ho tratra farany eo

Sôh’son

Nanomboka ny Alakamisy 19 Oktobra lasa teo, taorian’ny fahitana ny fahombiazan’ny hetsika nataon’ireo vahoaka avy eny Tanjombato nankeny Mahamasina ny Alarobia 18 Oktobra, dia nipoitra tanteraka indray ny tahotry ny eo anivon’ny fitondrana miara-dia sy manohana an’i Andry Rajoelina. Vokatr’izany dia nihazakazaka mihitsy ny prefet-n’Antananarivo, angamba ihany koa noho ny baiko ny lehibeny, ka nilaza fa tsy azo atao intsony ny hetsika an-dalambe ankoatra ny fampielezan-kevitra. « Dia vakiana fotsiny », hoy ny fiteny ankehitriny, izany fihetsika izany. Iaraha-mahalala tsara ary efa mazava ny hevitry ny vahoaka, fa tsy misy manao fampielezan-kevitra miaraka amin’ireo kandidà 11, raha mbola kandidà i Andry Rajoelina, izay mizaka ny zom-pirenena frantsay; raha mbola maloto ny kianja ilalaovana amin’ny fifidianana ary tena vao mainka miha-maloto hatrany sy tsy azo iainana intsony ankehitriny.

Mahakasika an’ny Prefet-n’Antananarivo ny Jeneraly Angelo Ravelonarivo dia tsy voaaraka ny fanapahan-kevitra noraisiny, satria nitohy ny diabe am-pilaminana nataon’ny kandidà 11 omaly, niainga teny Bel’Air sy Antsakaviro, nitohy teny Ambanidia ary nifarana teny Manakambahiny, ary tsy nisy ny lakrimôzena nipoaka. Izany no midika fa tsy narahan’ireo eo ambany fifehezany antsakany sy andavany ny voalaza fa voarara ny fanaovana hetsika an-dalambe nanomboka afak’omaly. Mahakasika ny fanapahan-kevitr’ity jeneraly ity, tato ho ato tsy vitsy ireo fanapahan-kevitra noraisiny no tsy mandeha amin’izay laoinina intsony. Nisy ny “couvre feu” natao, adiny iray taty aoriana dia najanona izany,… Misy ny milaza hoe: ”sao ho tratra farany eo ry Ingahy Prefet,” satria izay fanapahan-kevitra noraisiny tato ho ato dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy. Ny fametraham-pialana no mety aminy, fa tsy mikiribiby toa an’io hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitandro filaminana toa azy, ny olona akaiky azy, ny namana niara-nianatra taminy,…

Lo avokoa

Ankoatr’izany, azo ambara tsotra izao fa lo avokoa ireo andrim-panjakana eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao: Ny Fitsarana indrindra ny HCC, ny Governemantan’i Ntsay Christian, ny Loholona eny Anosikely, ary efa miha-mipoitra ihany koa izao ny faritra misy lo eny Tsimbazaza. Niaraha-nahita tsara ny fihetsika maneho izany ny Alakamisy teo, ankoatra ny fahafaham-baraka ny Antenimierampirenena misy azy nataony teny amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, dia nanemotra ny fihaonana andraisana fanapahan-kevitra fa handeha hanao fampielezan-kevitra, hono, izy ireo. Izany ve no anakaraman’ny vahoaka azy ireo nefa ao anaty fotoam-pivoriany ara-potoana tanteraka. Tsy fiatoana (abandon) amin’ny andraikiny ve izany?

Araka izany, tokony hisy fanapahana karama na hisy ampahana karama hiàla amin’izay mandeha manao fampielezan-kevitra, fa tsy mamonjy fivorian’ny solombavambahoaka. Efa nanazava ny depiote iray fa tsy ampy handinihina ny tetibolam-panjakana anie raha toa ka vita ny fifidianana vao hanohy hivory. Tsy nivakian’ireo depiote maro an’isa anefa izany na dia miankina tanteraka amin’ny ain’ny firenena aza. Ka moa tsy tokony hisy sazy ve izany? Aza robaina ny vahoaka malagasy mangina tsy miteny, sady ny olona nifidy azy ireo ihany no anaovana izany. Tsy rariny.

Mazava ny hevitry ny prefet-n’Antananarivo sy ireo mpiray tendro aminy: terena hanao fampielezan-kevitra ny kandidà 11 sy ireo vahoaka mafana fo manohana azy ireo. Tsy ho voafandriny amin’izany izy ireo, ary mitohy ny tolona. Tsy azo ekena marindrano raha olona frantsay no hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena eto sy hitondra ity firenena ity. Tsy azo ekena marindrano raha mbola maloto ny kianja amin’ny fifidianana izay laroin’ny politika maloton’ireo mpiray petsapetsa amin’Andry Rajoelina. Masina ny Tanindrazana.