Fifidianana – Marc Ravalomanana – Raha tsy tonga aty ny sampana Troika an’ny SADC, tsy milamina io

Nangonin’i Lanzelo

Mazava ny fanambarana nataon’ny G7 na ireo firenen-dehibe matanjaka eran-tany fa “rehefa tsy mifanaraka ary tsy eken’ny rehetra ny voka-pidianana izay mivoaka eo, ary tsy mandeha amin’ny fitantanana tsy mitongilana, dia tsy ho ekena”.

Nandritra ny fotoana nihaonan’ny kandidà Marc Ravalomanana tamin’ny G7 (omaly 19 oktobra 20223) dia nanazava ny lainga sy tsaho voizina fa nisy ramatoa voadonan’ny ny fiara notaingenany ka maty. Avy hatrany ny “ambassadrice Union Européenne” dia nilaza fa fantany ny tsy fahamarinan’izany ary nanindry izy fa manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-javatra eto Madagasikara.

Nilaza i Marc Ravalomanana fa raha tsy tonga aty ny “SADC” amin’ny alalan’ny sampana atao hoe “troika” izay manana fitsipika mifehy ny fifidianana demokratika, dia tsy hivaha io. Misy « protocole » izay iarahana ao, ka ny mpikambana 14 ao anatiny dia tsy maintsy manaraka an’iny, ary isan’ireo mpikambana feno isika.

Angatahina araka izany:
– ny hanemorana ny fifidianana satria misy namanay maratra vokatry ny bala nahazo azy, na “grenade” izay notifirina teny amin’ny masony; efa tonga ao ny “certificat médical” milaza fa tsy afaka mandeha fiaramanidina izy ao anaty 30 andro, araka ny lalàna mifehy ny fifidianana;
– ho apetraka tsara ny tany tan-dalàna miaraka amin’ny fametrahana Fitsaràna Avon’ny Lalampanorenana vaovao na ny HCC, ny fametrahana ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, ny fanovàna ny governemanta ;
– ny fanafoanana ny maha-kandidà an’i Andry Rajoelina noho izy mizaka zom-pirenena vahiny.

Misy « experts » telo momba ny fifidianana tonga eto, iraka avy any an-dafy, hijanona eto hatramin’ny faran’ny volana novambra izy ireo, hanaraka ny zavamisy. « Tsy hisy fifidianana handeha eo fa aleo izy hanao amboletra eo”, hoy i Marc Ravalomanana.

https://fb.watch/nOgsMlEsB_/?mibextid=cr9u03