DIOVY ALOHA NY KIANJA

‘Ndeha diovy aloha ny kianja vao atao ny fifidianana,
Fa tsy hisy zava-banona raha izay no tsy tontosa.
Ny mpitsara ataovy matotra ary koa aza fahanana
Amim-bola an-tapitrisa na harena be miavosa.

‘Ndeha diovy aloha ny kianja vao atao ny fifidianana,
Ho korontana no hitranga raha tsy hajaina ny lalàna.
Madagasikara anie ka firenena iaraha-manana.
Tsy vazaha akory isika, eto ihany no hiafarana!

‘Ndeha diovy aloha ny kianja vao atao ny fifidianana,
Esory koa ny mpilalao tsy mahafeno ireo fepetra.
An’ny gasy ny lalao ka gasy ihany no aoka hotanana,
Ny mamofona vazaha, aleo hiato sy hanjoretra!

‘Ndeha diovy aloha ny kianja vao atao ny fifidianana,
Tena ataovy maina tsara sy tsy misy fotapotaka.
Be ny gasy no azo ambara f’efa tena leom-boananana.
Zony ny manantitrantitra mba hisorohana ny rotaka!

IRINA HO TAFITA (20-10-23)