DIOVY ALOHA NY TOKOTANY

Diovy aloha ny tokotany k’aza atao anaty lisitra
Ireo nanongam-panjakana tamin-kery sy hafetsena.
Ny voalohany amin’izany dia Ingahy praiminisitra,
Mody moana nefa hay fanetriben’ny firenena !

Diovy aloha ny tokotany dia esory ireo jiolahy
Izay mbola hita ho mamahatra ao anaty fitondrana,
Fa ireo vahoaka tsotra dia vao mainka mihasahy
Ka tena hanongotra azy ireo raha toa tsy misy fanovana!

Diovy aloha ny tokotany, ny komity koa soloy
Raha fifidianana madio no tena tanjona hotratrarina.
Efa tena mahatezitra ary mankaloiloy
Ny fahitana an’izy ireo izay tena olona tsy marina!

Diovy aloha ny tokotany, na ny vavy na ny lahy,
Andao hitaky ny fialan’ireo mpitsara mitanila.
Tsy azo ekena raha ny avo no hivarotra fanahy,
Tsy hisafidy lala-marina fa dia mbola hivaralila!

…Diovy aloha ny tokotany dia manaraka ny sisa.
Hilamina ny firenena raha izany no ho tontosa,
Ary hiadana finaritra ireo vahoaka an-tapitrisa,
Ho sambatra ny malagasy, ny fiainany hisosa!

DADAN’i ZINA (17-10-23)