Vondron’ny kandidà 11 – Mijoro hatramin’ny farany, mitombo mitombo hatrany ny mpanara-dia

Isambilo

Andavamamba, Mahamasina ny talata teo ary Tanjombato, Mahamasina, ny diabe am-pilaminana nataon’ny vondron’ireo kandidà 11 omaly. Namafisin’izy ireo nandritra izany fa mijoro hatramin’ny farany izy ireo, hatramin’ny fandresena dia ny hivalian’ireo fitakiana natao ka haha-marina sy hampangarahara ny fifidianana hatao.

Mitombo miha-mitombo hatrany ihany koa ny mpanara-dia azy ireo. Raha ny omaly, nisy ny diabe avy any Tanjombato, fa nisy koa ny fanentanana mialoha teo Mahamasina, nafanain’i Bodo, Princio, Mamy Be, Elidiot, Belahy,… Ankoatra izany, tonga nanatevin-daharana ny tolona koa ireo sendika sy ny antoko Politika. Mahazo hery sy tanjaka ny tolona tarihan’ny Collectif des candidats, hamerenana ny fanajana lalàna sy hanjakan’ny fahamarinana hisian’ny fifidianana madio. Na nisy ary ny sakantsakana sy ny herisetra, tsy nahasakana ireo kandidà sy ireo mpanara-dia azy ireo izany. Na ny teny Andavamamba na ny teny Tanjombato, nisy andian’olona niakanjo volomboasary nibahana sy nanakorontana sady nandratra olon-tsotra sy nanimba fananan’olona vao niainga, raha ny teny Andavamamba.

Saika mbola hanakantsakana koa ireo volomboasary teny Tanjombato, saingy tonga mialoha nandamina ny mpitandro filaminana. Nanambara ireo mpitarika, fa hitohy hatrany ny hetsiky ny vondron’ny kandidà ary mbola miantso ireo rehetra tratry ny tsindry hazo lena tamin’ny fitondrana Rajoelina izy ireo, hanatevina ny tolona. Fantatra izao, fa mety hanatevina ny hetsika koa ny mpianatry ny Oniversite.