Ampy izay 5 taona namitahan-dRajoelina ny Malagasy izay

Andry Tsiavalona

Voamarina tato anatin’ny herinandro mahery kely, fa potika avokoa izay rehetra toerana misy an-dry Rajoelina sy ny forongony. Mety misy tsy mahalala tokoa ny fandravaravana ataon’ny foza orana eny an-tanimbary mankafia ny tsirony fotsiny rehefa mihinana azy. Rehefa eny anaty rano misy azy dia laniny avokoa ny zavaboary rehetra, eny hatramin’ny trondro miara-monina aminy aza, ka azo antoka fa izay no mampatsiro azy.

Matsiro tokoa ny vola raisina sy menaka ary paty zaraina ho an’ireo izay manaiky hamporisihana handrafy ny Malagasy mpiray Tanindrazana aminy. Niaraha-niaina ihany koa ireny fanakanana ataon’ireo nahazo baiko ny filaharana am-pitoniana nataon’ny vondron’ny kandidà 11 teny Antanimena, teny Alarobia, sns,… Nanao hetsika ny TGV notarihan’ny depiote Naivo Raholdina sy ny vadiny kanefa tsy nisy fanakanana nataon’ny herim-pamoretana izany. Niezaka mandrakariva ny vondron’ny kandidà 11 niala tamin’ny fifandonana sy fanaovana sorona ireo resy lahatra amin’ny hetsika ataony. Rehefa tsy niteraka izay noheveriny hampihemotra ny kandidà 11 amin’’ny alàlan’ny fampiasana ny zandary ny mpanohana an’i Andry Nirina Rajoelina dia nitady “satratejia” hafa indray, ka nanakarama andian’olona nihantsy sy nikasi-tànana olona na dia izay tsy nihevitra ny nilahatra akory aza. Tsiahivina manokana ny teny Ampasampito ka ny depiote Raholdina Naivo sy ny vadiny mihitsy no nidina teny an-kianja, kanefa tsy nahomby ny teti-dratsy noho ny fihetsika feno fahendrena nasehon’ny vahoaka mpanohana ny Hetsika Fotsy.

Nanao fampielezan-kevitra Andry Nirina Rajoelina, na dia tsy eken’ny vahoaka Malagasy tsy manaiky ny fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena aza ny maha kandidà azy, noho ny niniany nangataka ny zom-pirenena frantsay. Efa ampy ny namitahany ny Malagasy nandritra izay dimy taona izay, ka tsy maintsy tadiavina ny fomba sy ny tetika rehetra hanilihana ny mpanjanaka tsy hitondra ity Firenena ity intsony. Hita tamin’ny tambazotran-tserasera, fa nozaraina vola sy notaterina tamin’ny kamio mpitatitra fako ireo olona nanatevin-daharana ny hetsika nataon-dRajoelina izay nidehaka indray fa mbola tian’ny vahoakan’Antananarivo izy. Tsy omena tsiny ny olona raha tonga satria sitrany sakafo iray na roa andro kanefa kosa tsy azo eritreretina ny fampitoviana azy ireo ho toy ny fako. Nihevitra izy ireo, fa hihemotra noho ny tahotra ny mpanao diabe miaraka amin’ny Hetsika Fotsy, ka nanakana ny nanatevin-daharana teny Andavamamba ary nisy mihitsy ny fanimbana fiara sy fikasihan-tànana. Soa fa mbola nanao fanelanelanana ny teo anivon’ny polisim-pirenena, ka nikisaka tsy afaka namotika toy ny fanaony ny mpomba an-dRajoelina.

Nisokatra ny Talata 17 Oktobra 2023 lasa teo ny taom-pivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena sy Antenimierandoholona. Tena Lapan’ny Demokrasia marina ny ao Tsimbazaza tamin’io andro io, satria dia samy naneho ny fihetsempony ireo ankolafy roa ao rehefa niditra ny Lapa ny “filohan’ny Antenimierandoholona” voafidy tamin’ny fomba tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana, sy tamin’ny fotoana tsy mifanaraka amin’ny fitsipika mifehy ity andrimpanjakana ity. Torak’izany koa no niseho tamin’ny fidiran’ny Praiminisitra tao an-dapa satria tsy eken’ny solombavambahoaka mitaky ny tany tan-dalàna ny fanongam-panjakana nataony raha neken’ny HCC ny maha filoham-panjakana mpisolo toerana azy amin’izao fotoana izao. Tsy hita tao amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena ihany koa ny depiote Raholdina Naivo tamin’ity fotoana ity, satria azo inoana fa tahotra fanakianana avy amin’ireo mahatsiaro fa tsy mendrika ny maha solombavambahoaka ny fihetsika nataony teny Ampasampito. Tsapa ihany koa fa tena matotra sy tena nampiseho ny tena maha izy azy ny kabarin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena tamin’ny fanokafana ny taom-pivoriana. Nanatrika ny fotoana ireo Masoivoho vahiny eto an-toerana, ka nazava sy nahitsy ny kabary nivantana tamin’izy ireo ary tsy tokony hisy intsony ny “langage diplomatique” fa atao mahitsy sy tsy miholaka ny tian-kambara. Tsara ho marihana fa tsy nanatrika ny fanokafana ny teny amin’ny Antenimierandoholona Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena izay azo heverina, fa fanehoana fa tsy araka ny Lalàmpanorenana ny tranga rehetra tao amin’ity andrimpanjakana ity.

Mbola mampiseho ny fanaovana loham-boto sy letrezana ihany i Andry Nirina Rajoelina, ka nampivory depiote IRD indray ny Talata lasa teo rehefa avy nihaino ny kabarin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena angamba, satria sady tsy filohana Andrimpanjakana intsony izy, no tsy Malagasy ka azo lazaina fa nisandoka fahefana (usurpation de pouvoir). Raha ny tranga teny Tanjombato omaly dia azo lazaina fa mivaha tanteraka ny fihetsika fiarovan-tena (garde et parade) satria tena nitandro ny filaminana tanteraka ny Polisim-pirenena tamin’ny alàlan’ny SAG. Tsy Malagasy ny depiote voafidy teny Atsimondrano sy ny ben’ny tanànan’i Tanjombato raha nanondro am-pahibemaso ho “fahavalo” (mpanani-bohitra) ny mpanao Hetsika Fotsy” izay Malagasy. Faniriana ny fahafahan’ny olona eto amin’ity Firenena Malagasy ity ka manangam-pahavalo ny Malagasy hifindra monina any amin’ny firenena any ivelany, izay tiany rehefa ho takiana aminy izay havaliny ny vava tsy ambina navoakany.