Neny Christine Razanamahasoa – Nankasitraka ny fahasahiany ny ankamaroan’ny Malagasy

Helisoa

Taorian’ny kabary nataon’i Neny Christine Razanahamasoa ny talata teo, nandritra ny fanokafany ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena dia maro tamin’ny Malagasy no latsa-dranomaso sy faly, fa hay mbola misy olona ao amin’ny fitondràna mahatsapa fa misy krizy eto amin’ny firenena, ka mila vahana haingana ao anaty fifampiresahana, mba hiaina ampilaminana ny vahoaka Malagasy iray manontolo.

Nahitsy ity filohana andrimpanjaka mpanao lalàna ity, fa tsy nojereny hoe ao anatin’ny antokon’ny fitondràna ny tenany. Sahy izy manoloana ireo voay be araka ny tenin’ny depiote Rossy ao anaty fitondràna, tsy menatra ny mandrapaka. Izay no nahazo ny filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa, naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena dia avy dia nongotana manta tsy ho filoha intsony. Tonga hatrany amin’ny hoe marary saina no antony nanesorana azy. Toy izany izao no mitranga amin’i Neny Christine Razanamahasoa. Tonga sahady ny fanenjehana tao amin’ny gazetin’ny mpitondra, fa mararim-pahefana hono ity farany. Efa misy mikononkonona ny ao amin’ny fitondràna, fa hoe atao izay hanesorana azy tsy ho filohan’ny Antenimierampirenena indray? raha izany tokoa no marina dia vao mainka ho raharaha be no hiseho eto amin’ ny firenena, satria io andrimpanjakana io sisa no mijoro ankehitriny manaraka ny lalàna.

Efa nanala birao maharitra anie ianareo fa tsy nahavita e? Andrasan’ny maro ny ho tohin’ity tantara ity, fa dia nidera an’i Neny Christine Razanamahasoa ny olompirenena maro araka ny hita eny amin’ny tambazotran-tserasera sy eny anivon’ny fiaraha-monina ary ny fanambaràna nataon’ ireo antoko politika,…