Tsy fanarahan-dalàna maro misy – Miezaka manao fanarian-dia ny governemanta Ntsay Christian

Sôh’son

Miezaka mafy indray izao ny Governemantan’i Ntsay Christian manao izay hanarian-dia: “diversion” ny vahoaka malagasy. Ataony izay hanakonana ny tena fototry ny olana eto amin’ity firenena ity. Tsy inona izany fa ny fizakan’i Andry Rajoelina ny zom-pirenena frantsay. Tsy azo ekena velively sy lavina marindrano ny hirotsahany ho kandidà filoham-pirenena eto amin’ny tany sy fanjakana. Ny fanarian-dia ataony ankehitriny dia ny filazana fa efa novahana ny fandraràna ny fidinana an-dalambe, tsy sakantsakanana intsony, ankoatra ny mankeo amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Izany hoe mody aseho fa malalaka ny fanehoan-kevitra an-dalambe ary ampanjakana ny demôkrasia. Fitaka bevava sy fihatsarambelatsihy tsotra izao izany, ka tsy tokony ho voafandrika amin’izany ny kandidà 11 sy ireo solombavambahoaka miara-dia amin’izy ireo, miaraka amin’ireo vahoaka marobe manohana azy ireo amin’izao fotoana izao. Ezahiny takonana ihany koa ny fomba ratsy tsy manara-dalàna natao teny amin’ny Antenimierandoholona tamin’ny fanonganana ny filohany sy fametrahana ilay jeneraly misotro ronono misolo azy, izay minia mikimpy manoloana ny tsy ara-dalàna rehetra.

Tsy tokony ho adinoina velively ny ratsy na fomba ratsy nataon’ireo: ny governemanta, ny loholona, ireo depiote miloko volon-daoranjy, ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ( HCC) mitanila hatrany, ary ny Ceni mampilalao kianja maloto amin’ny fifidianana no sady mbola minia mikimpy ihany koa manoloana ny tsy fahatomombanana sy tsy ara-dalàna maro samihafa. Izao tsy ahitan-teny mihitsy amin’ny fandikan-dalàna ataon’ireo mpiara-dia an-dRajoelina; ny zandary nihetraketraka tanteraka tamin’ny fanasemporana sy fandratrana ireo vahoaka nidina an-dalambe miara-dia amin’ireo kandidà 11 sy ny fisamborana olona maro tamin’ny fomba feno herisetra. Ary ny talata teo teny Andavamamba tamin’ny fanakarama olona sy vondron’olona avy amin’ny TGV, nanaiky hihetraketraka sy sotasota ratsy tamin’ireo mpilahatra am-pilaminana, sy ny fanapotehana fiarakodian’ireo kandidà. Natao tao anatin’izany fihantsiana izany ny hampiadiana ny samy vahoaka, ka ho tonga amin’ny ady an-trano. Soa fa nanana fahendrena lalina ireo mpilahatra am-pilaminana.

Izany rehetra izany dia maneho sy milaza fa mby amin’ny teny vahiny hoe “le mal est fait”. Ny miàla tsiny sy mifona aloha no andrasana amin’izy rehetra ireo, fa hadisoana bevava eto amin’ny firenena. Aorian’izay no andrasana ny fiverenan’ireo amin’ny fanajàna ny lalàna sy ny Lalampanorenana ary fialàna amin’ny làlana nizorana mamohehitra hatramin’izay ka mametraka ny fahamarinana. Raha tsy misy izay dia fanampena-maso, fanakonana ny marina, resaka famitaham-bahoaka sy fampandriana adrisa, ary fanarian-dia tsotra izao no ezahina atao amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy tohizana ny tolona tsy fanekena vazaha frantsay hitondra ity firenena ity, fa masina ny tanindrazana.