Antenimierampirenena – Tadiavina haongana koa Christine Razanamahasoa

Stefa

Araka ny vaovao voaray, tadiavin-dRajoelina sy ny forongony haongana indray koa ny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa. Ny talata alina lasa teo, tao aorian’ny fahavitan’ny fotoam-panokafana ny fivorian’ny Parlemanta dia ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena, nantsoin’i Andry Rajoelina maika teny amin’ny Arena Ivandry ireo depiote izay efa vitsy an’isa miara-dia aminy. Voalaza fa voaresaka tamin’izany ny hanonganana ny filohan’ny Antenimierampirenena, tsy mahazaka ny filazana ny marina ry Rajoelina sy ny forongony, ka tadiaviny hailika avokoa izay milaza ny marina sy manakiana azy ireo ireo mpiara-dia na niara-dia taminy.

Raha tsiahivina nandritra ny fotoam-panokafana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny teny Tsimbazaza ny talata teo, miantso ny hirosoana amin’ny fifampiresahana an-databatra boribory ny filohan’ireo depioye Christine Razanamahasoa. Arak’izany, nivoaka tamin’ny fahanginany ity Filohan’ny andrimpanjakana ity, manoloana ny toe-draharaha mafampana eto amin’ny firenena ankehitriny. “Mba hialana amin’ny patsa iray tsy omby vava aoriana any, satria tsy misy mahafantatra ny ho avy isika dia aleo misoroka toy izay mitsabo. Ny Soatoavina mampiavaka antsika Malagasy dia ny FIHAVANANA, ka tsara ny miroso amin’ny fifanatonana ampanajana sy ampilaminana ary ampahendrena. Tsy midika resy na ambany ny manatona ary tsy midika resy na diso ny miaiky ny tsy mety natao. Zon’ny tsirairay ny maneho hevitra ankalalahana tsy misy teritery. Ny zon’olombelona rahateo dia manameloka ny fampiasan-kery. Koa noho izany dia atsaharo ny fampiasan-kery sy ny fihantsiana hita etsy sy eroa, fa tsy mahasoa ny firenena. Ilaina amin’ny vanimpotoana misy eto an-tanindrazana izao ny FIFAMPIRESAHANA AN-DATABATRA BORIBORY, mba hamahana ny olana sy ny disadisa eo amin’ny tsy mitovy hevitra” hoy izy.

Tamin’ny lahateny tamin’ny teny Frantsay kosa no nilazany ireo olana fototra misy eto amin’ny firenena amin’izao dia ny tsy fanajana ny lalampanorenana, ny fitanilan’ny HCC, ny momba ny CENI, ny tsy maha-ara-dalàna ny fitondran’ny governemanta amin’izao ny fitantanam-pirenena, ho filoha mpisolo toerana vonjy maika, ny fironana misy eo amin’ny mpitandro filaminana. Momba ny fanokafana ny fivorian’ny Parlemanta ny talata teo io, tonga maro ny Masoivoho avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena teny Tsimbazaza, tsy tonga kosa izy ireo ny tolakandro teny amin’ny Antenimierandoholona Anosikely. Midika fa tsy ankasitrahan’izy ireo ny karazana fandrombaham-pahefana nataon’ny Jeneraly Richard Ravalomanana etsy Anosikely.