Mpianatry ny Oniversiten’Antananarivo – Manome 72 ora ny fitondrana hamahana ny olany

Isambilo

Nanao fanambarana ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo omaly teny Ankatso. Nambaran’izy ireo nandritra izany, fa tsy tokony hampiasaina hanaovana politika ny eny Ankatso, toy ny nanaovana propagandy, satria na izy mpianatra aza tsy afaka mampiasa izany. Ankoatra izany, manome 72 ora ny fitondram-panjakana izy ireo hamahana ireto teboka manaraka ireto, mangataka :
-Ny hipetrahana haingana amin’ny trano vaovao eny Ankatso 2.
-Ny fanamboarana ireo trano may na eny Ankatso na eny Vontovorona.
-Ny famahana ny olana tsy mampandeha ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo.
-Ny fanatsarana fotodrafitrasa rehetra eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ary ny fitadiavana vahaolana mahakasika ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana.
-Tsy eken’izy ireo ny tsy fanajana ny faritry ny Oniversite.
-Angatahan’izy ireo ihany koa ny famahana ireo olana misy eto amin’ny firenena, izay misy fiantraikany eo amin’ny ho avin’ny mpianatra.