EDITO 19 Oktobra – Rajoelina sy ny ekipany – Mikatsaka hatrany ny hitomboan’ny olona azony badoina

Sôh’son

Kendrena sy katsahina hatrany ny hampahantra ny vahoaka Malagasy, mba hahafahana mifehy sy mibaiko ary manazioga azy. Noezahin-dRajoelina sy ireo mpiray petsapetsa aminy izany, indrindra tato anatin’ny dimy farany izao. Efa nataony io nandritry ny tetezamita, fa mbola ezahiny tohizana mihitsy amin’izao fotoana izao. Ny tombontsoa ho azy, dia izao iaraha-mahita ankehitriny izao. Azo vidim-bola sy baikoina amin’izay itiavany azy, ka na hihantsy ady sy hamono ny mpiray tanidrazana aza, dia tsy olana, fa ny tanjona tsy maintsy tratrarina.

Iaraha-mahita tsara ny ankamaroan’ireo olona ampisainy isan’andro hanao sotasota sy hihetraketraka hoe avy aiza avokoa izy ireny sy tanàna niaviany ary sokajin’olona manao ahoana? Olona tsy afaka hisaina sy hieritreritra, fa hoentina any amin’ny lavaka mangitsonkitsoka anie ilay firenena, ka hatao gisitra tanteraka miohatra amin’ny hafa. Dia izao rambony izao ilay firenena, tsy haka lavitra fa aty amin’ny Ranomasimbe Indiana fotsiny. Na ny Nosy Kaomoro aza efa hihoatra lavitra antsika, nefa vao firy taona monja izay no mbola taoriantsika izy? Ireo olona ireo dia ilay nampitoerina amin’ny toerana tian’ireo mpibaiko azy mihitsy ka tsy afaka hisaina izany sy hivaky loha na kely aza, fa karama amin’ilay vola kely tsy mahavita firy akory no masaka ao an-dohany. Hitoemoe-poana aza atao isan’andro mainka fa misy manome vola kely? Nampahantraina hatrany amin’ny saina ihany koa, fa tsy afaka firy tamin’ny fianarana hany ka mora ny manabado azy. Izay ilay ampahany amin’ny vahoaka malagasy, lasa olana hoan’ity firenena ity.

Firenena izay katsahina atao varo-boba amin’ny mpanao politika maloto mpitondra frantsay amin’izao fotoana izao. Tsy misy adihevitra, fa ny fandrotsahana an-dRajoelina kandidà sy ny fikatsahana amin’ny fomba rehetra ny fampandaniana azy, dia tena famarotana ny tanindrazana amin’ireo Frantsay ireo tsotra izao. Satria tsy maintsy hitady izay hampitomboina hatrany ny tombontsoa gohany eto, ankoatra izay efa eo am-pelatanany nandritry ny taona maro ireo Frantsay ireo, ary fitaovana mahomby amin’izany Rajoelina sy ireo mpomba manara-dia azy amin’izao fotoana izao. Ny olona mizaka ny zom-pirenena frantsay dia voafatotra tsy maintsy manao izany na tiany na tsy tiany, fa resabe famitaham-bahoaka fotsiny ny ankoatra izay.

Iretsy karazan’olona nambara tery aloha ireo no tsy mahatakatra izany satria nohabadoiny ireo. Mora kokoa ny mitondra firenena amin’izay tiana anaovana azy, rehefa miha-mitombo isa ny bado sy tsy afaka hampiakatra ny haavo lentan’ny fisainana sy ny fomba fiheverana. Tsy maintsy sakanana amin’ny fomba rehetra ihany koa anefa izany tranga mampidi-doza ny firenena izany. Soa fa misy ireto vondron’ny kandidà 11 miaraka amin’ireo solombavabahoaka manohana sy miara-dia amin’izy ireo ireto amin’izao fotaona izao. Any sisa no isian’ny fanantenana ho an’ny olom-pirenena maro.