NY FOZA SY NY SOFILERA

Tsy zakan’ny foza ny sofilera,
Tsaroany ho navesatra ny vavoniny.
Tsy vitsy izy ireo no efa mangorera,
Mandratra ny fony ny loniloniny!

Mandeha ny hasomparana sy hetraketraka,
Fa hay izy ireo tsy mahazaka dona.
Tsy hainy mihitsy ny mba mipetraka,
Mahita an’iretsy miara-mirona.

Tsy zakan’ny foza ny sofilera,
Satria ny tsy fihinany no narapany.
Naato tsy fidiny ny hoerahoera,
F’izao ny hadisoany vao tena tsapany.

Mazava ny vokatry ny herisetra
Fa tena vao mainka mampidi-doza.
Voamarina koa fa mba manam-petra
Ny hery eo an-tanan’iretsy foza!

…Na ho eo an-damosiny ny zandary,
Na mbola ny baomba aza no hipoaka,
Mazava tanteraka izao ny sary:
Mahery ny hetsik’ireo vahoaka!

IRINA ho TAFITA (18-10-23)

Fozaorana: Mety misy tsy mahalala ny fandravaravana ataon’ny foza orana eny an-tanimbary fa mankafia ny tsirony fotsiny rehefa mihinana azy. Rehefa eny anaty rano misy azy dia laniny avokoa ny zavaboary rehetra, eny hatramin’ny trondro miara-monina aminy aza, ka azo antoka fa izay no mampatsiro azy.
Matsiro tokoa ny vola raisina sy menaka ary paty zaraina ho an’ireo izay manaiky hamporisihana handrafy ny Malagasy mpiray Tanindrazana aminy.