IZA MOA IREO MANAO V ?

Aminay malagasy, ny manao V
Dia ireo miantso Vonjy eny an-dranobe.
Efa tena matahotra ny hijoboka,
Fa sendra izay lakana lo sy boboka!

Aminay malagasy, ny manao V
Dia ny Vendrana folaka lakile.
Tsy mba tia ny manandratra ny an’ny tena,
Fa dia nanakalo zom-pirenena!

Aminay malagasy, ny manao V
Dia ilay Volomboasary efa « mapme ».
Efa sahy nisafidy ny ho vazaha
Ka dia tsy afaka intsony ny hifampitaha!

Aminay malagasy, ny manao V
Dia ireo efa zatra ny oui Mose.
Efa tena Voavidy, Voakolikoly,
Ary indreo miara-miasa amin’ny devoly!

TSIMIMALO (18-10-23)