MIJANÒNA HO MALAGASY

Aza atao mahita rirany ireo mpanambola izay mampiady
Fa ianao tsy akoho akory ka dia hifamely fantsy.
Malagasy isika izao ka aoka heverina ho fady
Izany isika hifamono na koa hoe hifampihantsy.

Isika koa tsy alika akory ka hanaiky ny hampiadiana,
F’olo-manana fanahy ka tena iavahantsika izany.
Mety misy tsangan-kevitra na koa loko tsy itoviana,
Saingy aoka tsy hifandrafy fa hifankatia hatrany!

Ireo nivadika ho biby sy efa nietry ho fozaorana
No manaiky ny hampiadiana sy mivonona hihosom-potaka,
Saingy tsy ireny isika ka manàna fahamatorana,
Arindrao ny fihavanana, halaviro koa ny rotaka!

Malagasy isika izao ka mijanòna ho malagasy
Tia mandala fihavanana sy mitandro hatrany ny aina.
Ireo vazaha sy ny voavidiny no avela hangasihasy
Fa ny tena malagasy, tsy azon’iza hozaraina!

DADAN’i RIANA (17-10-23)