MALAGASY MIRAY HINA

Mijanòna ho malagasy sao ianao hahita raha
Raha hiana-kendry toy ny foza ka hivadika ho vazaha,
Satria dia hovidiany lafo ny ho tohin’ny tantara,
Fa hamoizany ny sezany eto Madagasikara!

Mijanòna ho malagasy sao ianao hahita loza,
Fa tsy mora ankehitriny ny manjo iretsy foza.
Tena mba nitady tombony kanjo maina hatreo ny molony,
Noho ny zavatra nataony miampy ny hagegen’ny olony!

Mijanòna ho malagasy mpankamamy fihavanana,
Misy zava-tsy itovizana saingy mifandraisa tanana.
Raha misy fifandirana dia ny tany no banjino,
Samy hiverina ho vovoka k’aoka kely tsy ho hadino!

Mijanòna ho malagasy, malagasy be fitiavana,
Halaviro ny toe-tsain’ny olona mpanavangavana.
Samy malagasy isika, izao no ora fifohazana,
Ary dia miraisa hina ho fanavotan-tanindrazana!

DADAN’i RIANA (17-10-23)