Kandidà 11 – Ho an’ny tomponandraikitry ny mpitandro filaminana sy ny prefen’Antananarivo – Anio 18 oktobra no takiana fepetra

Nangonin’i Lanzelo

Nametraka fitoriana teny amin’ny zandarimaria ny vondron’ny kandida 11, vokatry ny hetraketraka sy ny fanimbana fananana tetsy Andavamamba, nataon’andian’olona voakarama, izay sady mpomba an’i Andry Rajoelina.

Hoy ny kandidà Hajo Andrianainarivelo, raha nandray fitenenana:

“Antso avo amin’ny tomponandraikitra. Raha tsy vitanareo ny miaro ny vahoaka sy ny fananany, mino sy mahafantatra izahay fa maro ao anatin’ireo mpitandro filaminana, no vonona handray andraikitra ary hiaro marina izany vahoaka sy ny fananany izany. Koa miangavy anareo izahay rahampitso handray ny andraikitrareo fa tsy mendrika ny mpitandro filaminana ny zavatra miseho amin’izao fotoana izao.

Tokony samy malalaka amin’ny fanehoan-kevitra ary tsy tokony hitanila ianareo. Satria ny fitanilanareo no hitondra korontana eto amin’ny firenena, hoatran’ny fitanilan’io governemanta tsy ara-dalàna io.

Izany hoe, mandeha any amin’ny tsy ara-dalàna koa ianareo raha toa ka tsy misy fepetra raisinareo ary raha tsy mijoro ianareo amin’ny maha-tomponandraikitra eto amin’ny firenena.

Ka dia napetraka ny fitoriana eny amin’ny zandarimaria ary ho hitanay rahampitso raha tena misy marina izany mpitandro filaminana miaro ny vahoaka sy ny fananany izany.

Raha tsy vitanareo ilay izy, dia manana zo koa ireo mitovy aminareo handray andraikitra hiaro ny vahoaka sy ny fananany fa tsy ianareo tomponandraikitra voatendry ihany akory no afaka manatanteraka izany.”

Nanampy ny fitenena koa ny kandidà Roland Ratsiraka nanome hafatra ho an’ny prefen’Antananarivo:

“Misy lalàna mifehy ny fifidianana na ny “code electoral”. Misy kandidà iray izay manimba ny fiarahamonina ary tsy manaja ny lalàna mifehy ny fifidianana, amin’ny fanaovana herisetra amina kandidà hafa. Mipetraka tsara izay araka ny “article 99”. Andrasana amin’ny prefe ny fandraisana fanapahan-kevitra rahampitso satria na “suspendu” ny “campagne”, na “annulé” tsy mahazo manao “campagne” intsony izy, ary mety ho “disqualifié” avy eo. Tsy maintsy misy fepetra raisin’ny prefen’Antananarivo amin’ny zavatra nitranga androany iny. Raha vao tsy mandray fanapahan-kevitra ny prefe dia mazava ho azy fa mitongilana ho an’ny kandidà anankiray.”