ASEHOY FA GASY ISIKA

Na hosoran-doko aho na fotsiana,
Ny « gasy » ato anatiko tsy azo ariana.
Na iza maneso sy manambany,
Izaho dia hijanona ho gasy ihany.

Ny hafa ankafizina sy deraina,
Nahoana ny gasy no hafokaina?
Ireo olon-tsy tia avelao ho any,
Izaho dia hijanona ho gasy ihany.

Na misy ny vola mandifotra olona
Izay hoenti-mamotika itony tolona,
Vazaha ho filoha, tsy azo ekena izany,
Izaho dia hijanona ho gasy ihany.

Ianao re ry gasy nampahantraina,
Meteza amin’izay mba ho tonga saina.
Ny maty eritreritra aleo ho any,
F’aleo isika hijanona ho gasy ihany!

DADAN’i ZINA (18-10-23)