Tsarazaza sy Fandriana – Tokantrano miisa 1500 nahazo jiro avy amin’ny Amerikana

Aly

Tokantrano miisa 1500 any amin’ny kaominina Tsarazaza sy Fandriana any amin’ny faritra Amoron’i Mania, nahazo jiro avy amin’ny Amerikana. Mitondra angôvo ho an’ny vondrom-piarahamonina ifotony ny governemanta amerikana.

Nankalaza ireo ezaka vita nandritra ny telo taona ho fampidirina herinaratra ho an’ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony, ny governemanta amerikana amin’ny alalan’ny fandaharanasa Power Africa sy ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID), ary miaraka amin’ny “Hydro Ingénierie Etudes Réalisations (HIER). Nitondra herinaratra ho an’ny tokantrano ambanivohitra miisa 1500 eo anivon’ny kaominina Tsarazaza sy Fandriana io fiaraha-miasa io.

Hatramin’ny faran’ny taona dia hanome herinaratra tokantrano sy orinasa maherin’ny 3600 eto Madagasikara ny Power Africa, sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra tsy miankina. Maro amin’izany ireo tokantrano sy orinasa izay mbola tsy nisitraka herinatra mihitsy, ka hisitraka izany amin’izay.

Ny tanjona dia ny hampandroso ireo asa fampandrosoana ara-toekarena toy ny fanaovana “soudure”, ny fampangatsiahana sakafo any amin’ny toerana fisakafoanana, ary koa ny fanatsarana ireo asa fandrafetana hazo. Ny ankizy sy ny mpampianatra dia afaka mianatra sy miomana amin’ny fampianarana amin’ny takariva; ny tranom-panjakana eny an-toerana dia afaka mampiasa solosaina ary manatsara ny filaminana amin’ny alina ihany koa ny fisitrahana rianaratra.

Nitsidika tany Tsarazaza ny Ambasadaoron’i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro, Claire A. Pierangelo, niara-nankalaza ny fahatongavan’ny rianaratra teny ifotony ary nanao dinidinika ambany tafontrano niaraka tamin’ireo tomponandraiki-pakanjana tany an-toerana sy ny fokonolona ny amin’ny ezaka fizarana rianaratra mbola ho avy.

Nanamafy ny Ambasadaoro Pierangelo nandritra ny lahateny fohy nataony, fa “na dia hifarana aza ity tetikasa ity dia mbola hanohana hatrany ny fametrahana angôvo madio eto Madagasikara i Etazonia. Ny governemanta amerikana dia hanohy hikaroka fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny Power Africa sy ny sehatra tsy miankina, mba hitondrana angôvo madio sy azo havaozina any ambanivohitra.

Ny fandaharanasa Power Africa an’ny governementa amerikana dia mamory ireo loharano iraisana avy amin’ny sehatra tsy miankina, ireo fikambanana iraisampirenena miasa amin’ny fampandrosoana ary ireo governemanta maromaro manerana an’i Afrika, mba hampitombo ny fisitrahana angôvo sy herinaratra.

Nanomboka ny taona 2018 dia efa nitondra herinaratra ho an’ny tokantrano sy orinasa miisa 90.000 ny Power Africa tamin’ny alalan’ny 2,2 tapitrisa dolara ho fanohanana ireo mpamokatra angôvo eto Madagasikara.

Miara-miasa amin’i Madagasikara i Etazonia amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eto amin’ny firenena. Nanomboka tamin’ny 2013, ny USAID dia efa nanantanteraka fandaharanasa mitentina 80 tapitrisa dolara izay mampiroborobo ny faharetana, manatsara ny fiveloman’ny vondrom-piaharamonina eny ifotony, manamafy ny fitantanana ny harena voajanahary, mampihena ny fanondranana bibidia antsokosoko ary miaro velaran-tany an’arivony hektara amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna.