Vondron’ny kandidà 11 – Cenam 67 ha indray anio, kely sisa

Stefa

Eo amin’ny Cenam 67 ha indray, no hiainga ny diabe am-pilaminana ho tarihan’ny vondron’ireo kandidà 11 anio talata. Omaly, tany Ambodimita ao amin’ny Boriboritany faha-6 no nianga izany, ny sabotsy teo kosa, toerana 7 teto an-drenivohitra no niaingan’ny diabe, am-pilaminana hatrany izany, na teo aza ny fihantsiana nataon’ireo mpomba an-dRajoelina teny rehetra teny.

Ny tsapa koa amin’ity hetsika ity, miha-maro hatrany ireo olona manara-dia na andro fiasana aza ny omaly, tsy nifanalavitra loatra tamin’ny habetsahan’ny olona ny sabotsy teo, izay andro tsy fiasana. Nambaran’ny kandidà Roland Ratsiraka omaly teny Ambohimanarina fa kely sisa ny tolona izay atao. Raha ny hita sy tsapan’ny rehetra tokoa, kiribiby sisa ny ataon-dRajoelina sy ny forongony, fa tsy hisy izany fifidianana izany, ireo takelaka hazo misy eto an-drenivohitra aza, tsy misy afisy na dia ny an’ny kandida Rajoelina ny ankamaroany, toy izany koa ny any amin’ny faritra araka ny vaovao voaray. Mbola tsy tena taitra amin’ilay fifidianana aloha ny olona, fa mila mivaly ny fitakian’ireo kandidà 11 vao hirosoana izany fifidianana izany. Raha ny tamin’ny sabotsy, toerana maro no niaingana ary nihazo an’Ankorondrano sy Antanimena, efa nosakanan’ny herim-pamoretana teo Antanimena ny lalana mihazo ny kianjan’ny 13 mey, tsy hitondra vahoaka ho alatsa-drà izahay hoy ireo mpitarika ka dia nihazo an’Alarobia Ivandry izy ireo. Tamin’izany no nisy lehilahy iray nosamborin’ny zandary teny Alarobia, araka ny fantatra dia miaramila efa misotro ronono izy io ary efa navotsotra ihany rehefa tonga teny Fiadanana, naratra izy satria nodarohan’ireo zandary.

Momba ny hetsika atao, nanambara ny kandidà Filoha Marc Ravalomanana, fa: ”tsy basy enti-miady, tsy tafondro enti-mandrava, fa ny hany ijoroana dia satria isika izao samy miandrandra Tanindrazana, Taninjanaka miorina ambany Làlampanorenana; satria isika izao samy miandrandra Firenena vanona manaja ny ZO AMAN-KASINA maha olona manontolo; satria isika izao samy manantena fiandrianam-pirenena tsy mifanohitra amin’ny kolontsaintsika sy ny demôkrasia. Lavitra anefa ny aleha, saingy ny fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana no ampinga hanoherana ireo sakana rehetra. SAHIA-MIJOROA mandrakariva,’’ hoy izy.

Ankoatr’izany, miantso ireo mpiasa rehetra, na mpiasam-panjakana na mpiasan’ny orinasa tsy miankina hanatevin-daharana ny tolona amin’izay ny kandidà 11. Mila sahy mijoro ny rehetra hoy izy ireo. Namafisiny hatrany fa vonona hiatrika fifidianana izy ireo, saingy mila madio ny kianja ilalaovana mialohan’ny hirosoana amin’izany.