Fampielezan-kevitr’i Rajoelina – Raisinay ny volany fa adala tompo hoy ireo mpanatrika

Sôh’son

Rasinay ny volany fa adala tompo, efa fantatray ny hofidianay hoy ireo mpanatrika ny fampielezan-kevitry ny kandidà Vazaha Andry rajoelina, tsy teto Antananarivo ihany no nahenoana an’izany, fa tany amin’ny faritra ihany koa, nandritra ny fihaonan’ity kandidà ity tamin’ireo olona tamin’ny faritra nandalovany. Efa hitan’ny olona ny tsy fahaiza-mitantany, ny lainga maro nataony ary ny fampijaliana vahoaka nandritra izay 5 taona izay, ka efa tena leo sy tofoka an’ity filoha teo aloha, ninia naka ny zom-pirenena Frantsay ity ny maro.

Ankoatra izany, mivangongo sy hita miavosa eo anivon-dry Andry Rajoelina sy ireo TGV ary ireo mpanohana mpisolelaka rehetra azy ankehitriny, ny fomba sy endri-paharatsiana rehetra mamohehitra tsy tokony fampiseho masoandro mihitsy ao anatin’izao lalana hizorana ho amin’ny fanomanana ny fifidianana izao. Anisan’izany ny fihantsiana, ny fandranitana ary ny fikasihan-tanana ireo vahoaka marobe milahatra an-dalambe mandeha am-pilaminana manohitra ny handraisan’ny kandidà frantsay, Andry Rajoelina, izay mitady hirotsaka amin’ny fifidianana. Nisy mihitsy aza ny fandrobana fananan’olona toy ny findain’ny mpanao gazety iray izay nitranga teny Ampasampito. Santionany ihany ireo, fa maro ny haratsiam-pomba ataon’izy ireo, ary ampiasainy avokoa hatrany amin’ny manam-pahefana rehetra azony fehezina sy ataony fitaovana, mba tsy ilazana hoe ziogainy toy ny : fitsarana, Ceni, Hcc, governemanta, Senatera na Loholona eny Anosikely, Olom-boatendry toy ny Ben’ny tanàna sy Dépiote, Prefektiora, Zandary sy miaramila ary polisy indrindra ireo lehiben’ireo, sns… Miendrika ny fomba ratsy tany Alemaiña tamin’ny andron’i Hitler, hoy ny mpamakafaka, no ampiharina eto amin’ity firenena ity. Nohosihosen’ireo sy tsy namakiany loha ny voarakitry ny Lalàmpanorenana sy ny Lalàm-pifidianana, fa izay lalàna azony roritiny amin’izay maha metimety azy iarovany ny tombontsoany manokana sy ny sezany.

Noho ny herisetra sy fandratrana natao ireo mpanao hetsika am-pilaminana, dia azo lazaina tsotra izao, fa mihoson-drà ny tanànan’i Ntsay Christian sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta miaraka aminy, na ihany koa ny prefet sy ireo lehiben’ny zandary nanome baiko. Nandatsaka ny ràn’ny mpiray tanindrazana aminy izy ireo amin’izao fotoana izao, ary heloka bevava eto amin’ny firenena izany, ka tsy tokony avelavela amin’izao fotsiny. Ireny rehetra ireny aloha dia hipetraka ho voarakitra ho tantara avokoa, ary tsy afa-maina fa tafiditra ao anatin’izany ilay rangahy mpanefoefo mpamatsy vola ireo olona irahiny hihetraketraka. Raharaha tsy ho voafafa sy tsy ho vita izany fa hitoetra mandrakariva ao am-po sy ao an-tsain’ny vahoaka malagasy mitaky ny fampiharana ny lalàna, sy ny famerenana ny firenena ho amin’ny toerana mendrika azy. Tsy azo ekena velively raha olona tsy mitàna sy tsy mandàla ny fahamarinana no hitondra ity firenena ity.

Raha ny feo re teny Antanimena, Ankorondrano, Ambodivona,… tamin’ireo nilahatra nanara-dia an-dRajoelina nandritra izany: tsy ampijaliana mandritra ny 5 taona intsony izahay hoy izy ireo, fa raisinay aloha ny vola sy ny tee-shirt-ny. Fantatra nandritra izany fa vola 20000 Ar no nozaraina niampy akanjo. Mamita-tena tokoa ity kandidà Vazaha ity amin’izao fampielezan-kevitra ataony izao, misy mihitsy ny milaza fa karazan’ny fety fanaovam-beloma no ataony nandritra izay andro vitsivitsy nitetezany faritra izay, fa tsy ho tafaverina eo amin’ny fitondrana intsony Rajoelina izay efa ninia ho Frantsay.