Mpiara-miasa iraisam-pirenena amintsika – Aoka tsy itanila ireo mpitandro filaminana

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, misy ny fanambarana iombonana avy amin’ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena amin’i Madagasi-kara, ahitana ny Vondrona Eoropeana, ny OIF amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, i Alemaina, Korea, i Etazonia, i Frantsa, Japon, Royaume-Uni ary i Suisse :

“Izahay manao sonia ity fanambarana ity izay mpiara-miasa iraisam-pirenena amin’i Madagasikara dia maneho ny ahiahinay amin’ny fivoaran’ny tontolo politika ifandroritana eto Madagasikara.

Manantitra ny maha-zava-dehibe ny fanajana ny Lalàm-panorenana sy ny faha-lalahana maneho hevitra sy mivory izahay. Miantso ny fifehazan-tenan’ny tsirairay. Iarahanay manana amin’ny Sam-pandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny zon’olombelona ny ahiahy amin’ny fampiasana hery tsy mifandanja amin’ny fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana avy amin’ny mpanohitra.

Izahay manao sonia dia mamporisika ny ezaka amin’ny fifampiresahana izay mety hitondra vahaolana azo tsapain-tànana hamerenana ny fahatokisana ny zotram-pifidianana sy hampahomby ny fifidianana. Raisinay mpiara-miasa izay manao sonia ihany koa ny daty vaovao hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana.

Fanirianay ny hampifanaraka ny zotram-pifidianana amin’ireo fenitra iraisam-pirenena, izany hoe mangarahara, azo antoka, handraisan’ny rehetra anjara ary am-pitoniana, izahay dia manamafy ny maha-zava-dehibe ny fiantohana ny fahalalahan’ny mpilatsaka hofidiana rehetra hivezivezy, ny fahalalahan’ny fivorian’ny olom-pirenena am-pilaminana, ary ny fampitovian’ireo manam-pahefana sy ny haino aman-jerim-panjakana ireo mpilatsaka hofidiana, hampitombo araka izay tratra ireo mpandray anjara ary hiantohana voka-pifidianana eken’ny rehetra.”