Christine Razanamahasoa – Andrasana ny lahateny ho ataony anio

Christine Razanamahasoa

Helisoa

Misokatra anio 17 oktobra, ny fivoriana ara-potoana faharoa ny andrimpanjakàna mpanao lalana eto Madagasikara dia ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena izany araka ny voafaritry ny lalàna. Raha ny zavatra nisy tao anatin’ny fotoana fohy anefa dia niova ny fandehan-javatra teto amin’ny firenena, indrindra ny tao amin’ny Antenimierandoholona izay nanongotana manta ny filohany Herimanana Razafimahefa, nosoloina tampoka ny Jeneraly misotro ronona Richard Ravalomanana nalaza tamin’ny fanapoahana baomba ireo mpitolona nandritra ny fitondràn’i Andry Rajoelina.

Hisokatra anio araka ny voalaza tetsy ambony ny fivorian’ireo depiote sy loholona. Ny loholona tsy asiana resaka fa raha ny tokony ho izy dia ny filoha naongana aloha no tokony mbola ho eo, satria ny HCC tsy nilaza ny heviny hatreto raha tokony mbola hankatoaviny ny fametrahana an’i Ravalomanana Richard ho filohan’ny Antenimierandoholona na tsia. Fa raha ho an’ny solombavambahoaka dia andrasana fatratra ny lahatenin’ny filohan’ity andrimpanjakana ity, satria vao avy tany ivelany izy araka ny fanambaràny raha nanontanian’ny mpanao gazety ny tenany teny Tanjombato.

Mafanafana ny raharaha eto Madagasikara ankehitriny hoy izy tamin’izay ka tsy ilaina ny herisetra. Raha ny zavatra hita ihany koa dia tsy tazana ny filoha Christine Razanamahasoa nandritra ny fandalovan’i Andry Rajoelina tany Fianarantsoa nanao propagandy. Any Tsimbazaza ny mason’ny olom-pirenena indray, satria nisy ireo depiote nametraka fitoriana teny amin’ny HCC mikasika ny tsy fanarahan-dalàna niseho tao amin’ny Antenimierandoholona.