EDITO 17 Oktobra – Toa ataon’ny forongon-dRajoelina tery vay manta avokoa

Beharo

Mibaribary amin’izao fotoana fa toa atao tery vay manta avokoa ny raharaham-pirenena, atao “tian-kano tsy tian-kano”, “Jadona”, ny zava-misy eto amin’ny firenena. Porofo maro no ilazan’ny vahoaka izany manodidina ny zava-misy sy miseho eo amin’ny samy mpitondra ohatra, nefa dia manimba tanteraka, miantraika amin’ny fiaraha-monina sy ny tontolo manodidina iainan’ny be sy ny maro, izay porofo mazava fa mampihemotra antsika maneran-tany mihitsy.

Ny eo amin’ny samy mpitondra aloha dia gaga ny rehetra, fa na ny famindram-pahefana “passation” teo amin’ny filoha vazaha Andry Rajoleina teo aloha sy ny Praiminisitra mpitondra vonjy maika aza dia toa tsy tazana akory, vitavita tamin’ny fomba manala baraka, manampy trotraka ny fomba fanomezam-pahefana Jeneraly iray efa misotro ronono sy efa naloan’ny olona tamin’ny tantara 2009, nefa dia natosika mafy hitsofoka ao amin’ny Antenimierandoholona ao, ka nahavoatery ny filoha tompon-toerana nilaza, fa mba misy ihany lalàna mifehy ifampitondrana ao anatiny ao nefa dia totofana baomba tanteraka, ka na ny fomba nandaniana azy na ny fepetra tokony ho narahina tamin’ny fametahana samboady, dia efa fandikana lalàna avokoa. Tena tery vay manta tokoa, satria fiantsoana fivoriana tsy ara-potoana natao maikamaika nefa anio talata dia efa natokana ho amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa, fa dia nanomezan’ny governemanta fanekena hafahafa ihany ny alarobia alina lasa teo.

Loholona misalotra fehitenda miloko lôranjy avokoa ny ankamaroan’ireo tonga tao, na dia efa nirava aza ny fotoana dia lasa nanao fifidianana tsotsotra nandaniana ity Jeneraly baomba ity, izay efa paik’ady natao mihitsy, satria raha miverina any indray ny fitantanana, dia lamina namboarina mba ho tetezamita hafa kely indray, ka hatao tetezamiitatra mihitsy mba hiverenana eo indray, sady efa porofoin’ity fifidianana mody hahemotra herinandro ity, nefa mety ho lasa an-taonany mihitsy raha ny fanirian-dry zareo. Fampifangaroana ny fiainan’antoko sy ny andrimpanjakana ny toy izao, ary fandikan-dalàna tanteraka, izay hamafisina fa tandrevaka nivoaka tao amin’ny HCC avokoa, miaraka amin’ny Ceni, izay tompon’andraikitra miray petsapetsa amin’ny ratsy, ary dia manala baraka ny firenena manontolo mihitsy raha atao in-dray mijery.