Fitsarana Avon’ny Lalampanorenana na ny HCC – Olon’ny fitondrana diaby

HCC 2021

Nangonin’i Lanzelo

Amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny repoblikan’i Madagasikara ho an’ny taona dimy taona manaraka izao dia tsara ihany ny mahalala ny firafitr’ity andrim-pirenenana iray, dia ny Fitsarana Avon’ny Lalampanorenena na ny HCC (Haute Cour Constitutionnelle), izay mamoaka ny didy tsy azo ivalozana rehefa mivoaka ny vokam-pifidianana.

Sivy no isan’ny mpikambanana ao anatin’ity andrimpirenena ity, ka telo no tendren’ny filohan’ny repoblika, roa tendren’ny Antenimierandoholona, roa tendren’ny Antenimerampirenena, ary roa tendren’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara na ny CSM (Conseil Supérieur de la Magistrature).

Tsara ny manamarika fa ny fito amin’izy ireo dia nofehezin’i Andry Rajoelina ny fanendrena azy. Raha ireo voatendry avy amin’ny Antenimierampirenena dia fantatra fa maro an’isa ao ny antoko IRD (Isika Rehetra Miaraka amin’i Andry Rajoelina). Raha ny CSM indray, dia i Andry Rajoelina no filohany.

Raha raisina tsirairay manomboka amin’i Florent Rakotoarisoa, filohan’ny HCC, dia ministry ny Atitany nandritra ny tetezamita ny tenany (2009-2014), no sady nisalotra ny andraikitra ministra vonjimaikan’ny Fitsaràna. Voafidy tamin’io toerana naha-filohan’ny HCC io izy tamin’ny taona 2021, ary olona akaikin’i Andry Rajoelina, mahalala tsara ny amin’ny fitantanana ao amin’io andrimpanjakana io, noho izy efa mpikambana tao nandritra ny fe-potoana 1992-2002.

Ny mpitsara, Germaine Bakoly Razanoarisoa Ratovonelinjafy, dia voatendrin’ny CSM.

William Noëlson, ministry ny Asam-panjakana tamin’ny vaninandro teo aloha, sy Rasolo Nandrasana Georges Merlin, talen’ny kabinetran’ny praiministra Christian Ntsay, dia voatendry tamin’ny alalan’ny Antenimierampirenena.

Rojoniaina Ranaivoson Andriamaholy, vadin’ny sekretera jeneraly lefitra ao amin’ny fiadidiana ny repoblika (Dina Andriamaholy), sy Antonia Rakotoniaina, vadin’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fizahantany (Yves Maurice Rakotoniaina, olona akaiky amin’i Mamy Ravatomanga), dia voatendry tamin’ny alalan’ny Antenimerandoholona.

Rondro Lucette, Rahelimanantsoa, Ranaivo, Fidèle Mbalo ary Vololoniriana Christiane Andriamarojaona dia voatendry amin’ny alalan’ireo miankina amin’ny filohan’ny repoblika.

Tsy mahagaga araka izany raha miray petsapetsa tanteraka amin’i Andry Rajoelina sy i Christian Ntsay, ity andrimpanjakana ity. Koa rariny raha takian’ny vondron’ny kandidà 11 ny hanafoanana ity rafitra ity mba hisian’ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra.

http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2023/10/20231012-AfricaIntelligence-HCC-Rajoelina.pdf