TSY TAFA I KANDIDA VAZAHA

Fotoana vitsy no isaina dia tsy maintsy handao ny sehatra
Ito kandidà vazaha izay nolazaina ho andrarezina.
Efa tapitra nataony irony fomba mamohehatra,
Saingy ho azy, tsy hay sakanana ny fianjerana miezinezina!

Mandeha ny fizaràna vola sy ny fanambazana olona,
Misy ireo nomena baiko hanao ny asan-jiolahy.
Izany anefa toa vao mainka mampafana be ny tolona,
Fa ny iraikambinifolo koa dia tena mihasahy!

Ireo mpitandro filaminana, tsy dia fantatra mazava,
Misy miomana handamina sy miezaka handrindra,
Saingy misy koa ampahany nampanaovin-tsarontava.
Asa raha ny handripaka aina, izay no lehibe indrindra!

Ny hany sisa fara hery dia ny mampihorohoro,
Nefa dia tsy maintsy hijoboka ito kandidà vazaha.
Moa tsy misy « ny to teny » mety afaka hanoro
Ka hibitsibitsika aminy hoe « ampy izay fa miataha »?

DADAN’i ZINA (15-10-23)