Cédric, ilay vazaha mihantsy ady sy manao di-doha handavo ny Malagasy

#rajoelina

Lanzelo

Efa tapabolana izay no nezahina ho sakanana ny hetsiky ny kandidà 11. Nalefa ny herimpamoretana, nalefa ny andian’olona voakarama, nampiasaina ny taxi-moto miisa 400 izay maro no tsy nahazo sandam-bola 30.000 ariary nampanantenaina. Nisy ny fandrobana finday, nisy ny fisamborana, saingy tsy mampiemotra ny tolona izany. Ary mitohy indray izany amin’ny alatsinainy 16 oktobra.

Androany alahady 15 oktobra tolakandro anefa dia hanao diabe i Cédric vazaha hitety an‘Antananarivo manomboka eo amin’ny stade Malagasy Antanimena, miezaka mampiseho fa azy ny tanàna ary tsy misy ny sakana rehefa ireo volomboasary no manao hetsika.

Koa dia ho tazana eny ireo fozaorana mpanaradia, ireo olona voavidy, ireo mahita tombontsoa amin’izao fitondrana « mafia » izao, ireo izay tsy mahatsiaro fangirifiriana nandritra izay dimy taona nitondrany izay ka mbola mikiry hanohy ireo asa ratsiny.

Mbola fotoana anefa izao hiainoana ny fitakiana ataon’ireo kandidà 11 amin’ny hisian’ny fifidianana madio. Saingy rehefa tsy mahay mihaino ireto fozaorana ireto, tsy mety hiala am-pahendrena dia ny vahoaka no hanala azy ireo amin’ny vody patalohany.