AOKA IANAO TSY HO VOAVIDY

Volakely sy ny vary izay tsy mahavita volana,
Tampi-maso hatrany ireny fa tsy tena vahaolana.
Mampitonitony fotsiny, raha ho an’ny mpianakavy,
Fa vao mainka hitera-doza ho an’ny dimy taona ho avy!

Volakely sy ny vary omena ny olona hofitahina!
Mihevera ry mpifidy fa tsy jamba ianao na pahina.
Aza amidy ny safidy fa tsy sanatria andevo
Ka vao mainka isika hiroboka amin’ny fotaka mandrevo!

Eny ekena fa mahantra ny olo-maro eto amintsika,
Noho ny ataon’ireo mpitondra tia mandainga sy be fika.
Nefa kosa mandiniha dia aoka tsy ho diso indray,
Fa efa mafy, tena mafy raha ‘zay dimy taona izay!

Halaviro sy ialao, ataovy toy ny fasam-bao
Ilay kandidà hoe Rainilainga fa tsy hahavonjy anao.
Na mbola hiedinedina izy sady mbola hibitabitaka,
Tsy azo ekena ho filoha ny tia mandainga sy mamitaka!

DADAN’i RIANA (15-10-23)