Antenimierandoholona – Amboletra no nametrahana ny jeneraly Ravalomanana ho filohany

Helisoa

Amboletra no nametrahana ny jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana ho filohan’ny Antenimierandoholona, vita omaly ny fifidianana ho amin’izany, ka senatera miisa 15 amin’ny 18 no nifidy azy. Tsy ara-dalàna ny fivoriana tsy ara-potoana nanaovana izany fifidianana izany, satria toko ny ho 12 andro no anatanterahana fivoriana tsy ara-potoana izany, ary tokony mivory ihany koa ny Antenimierampirenena vao mivory ny etsy Anosikely.

Rariny raha any amin’ny kizo ny firenena ankehitriny, satria fitondràna jiolahimboto araka ny tenin’ny kandida Hajo Andrianainarivelo no mitondra eto, na efa lasa nametra-pialàna aza ilay filoha nitantana ny firenena nandritra ny 5 TAONA dia mbola izy ihany no mibaiko ireo rehetra teo ambany fahefany hanatanteraka izay tiany atao. Raha ny zavatra niseho tao anatin’ny andro vitsy dia izay miteny sy manambara ny marina dia avy hatrany atao bontolo ny fanesorana azy eo amin’ny toerana misy azy.

Nanaovana fiantsoana ireo loholona hivory tsy ara-potoana na tsy voafaritry ny lalàna aza izany. Tonga dia voaraoka ary nesorina manta ilay filohan’ny Antenimierandoholona Herimanana Razafimahefa. Nesorina teo amin’ny toerany, ka nosoloina ilay jeneraly nalaza tamin’ny fanapoahana baomba Richard Ravalomanana hisolo ny toerany. Asa inona no tiana ahatongavana? hanaiky mora ny governemanta hiara-hitantana ihany ve sa ity jeneraly malaza ity no asaina mitondra ny firenena indray raha hiverina amin’ny fanapahan-keviny ny HCC, ka hoe ny filohan’ny senat no hitondra ny baolina.

Maro ankehitriny ireo fikambanana, fiarahamonim-pirenena, solombavambahoaka no tonga teny amin’ny HCC nametraka fitoriana mikasika ny tsy fanarahan-dalàna asehon’ny mpitondra; ka dia ho hita eo fa mihazakazaka ny toe-draharaha ankehitriny.