Vondron’ireo kandidà 11 – Toerana miisa 7 no hiaingan’ny Diabe anio

Isambilo

Toerana miisa 7 no hiaingan’ny Diabe hataon’ny vondron’ireo kandidà 11 anio sabotsy 14 oktobra. Ny voalohany eo amin’ny kianja Barea Mahamasina ho an’ireo olona avy any Atsimondrano, Tanjombato, Tsimbazaza, Anosibe, Ampefiloha,… Ny faharoa miainga eo amin’ny rond point Ampasika: ny avy any Itaosy, 67 ha, Andohatapenaka,… NY faha-3, miainga eo amin’ny rond point Ankazomanga ho an’ny avy any Ankazomanga, Ambohimanarina, Ivato, Antanimena,… Ny faha-4, miainga avy ao amin’ny rond point Anjanahary ho an’ny avy any amin’ny Anjanahary, Analamahitsy, Avaradrano,… Ny faha-5, miainga eo amin’ny rond point Ampasampito ho an’ny avy any Ampasampito, Ambohimirary, Ambohimangakely,… Ny faha-6, miainga avy eo amin’ny Pont Behoririka ambony ho an’ny avy any Andravoahangy, Ankaditapaka, Ampandrana,… Ary ny faha-7, miainga eo amin’ny Route Circulaire (4 chemins), ho an’ny avy any Ankatso, Ambanidia, Ambohipo,… Hisy mpitarika avokoa ny avy amin’ireo toerana ireo.

Fa ho an’ny omaly, marobe ihany koa ireo mpanara-dia ireo kandidà 11 teny Ampasampito sy Anjanahary, sy ny manodidina iny. Tany amin’iny Boriboritany faha-5 iny indray, ireo kandidà no nanao Diabe am-pilaminana. Nanamafy ny fitakiana ataony dia ny hanaovana fifidianana madio sy mangarahara, ny fanovana ny governemanta izay hita fa mitanila, ny fanoloana ny HCC ho CES ary ny fijerena ihany koa ny mahakasika ny CENI, na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana. Miha-mitombo hatrany koa ny mpanara-dia ny hetsik’ireo kandidà mandritra izany hetsika am-pilaminana izany. heverina fa tena marobe tokoa no ho tonga anio, satria andro tsy fiasana ny anio sabotsy, ka ho tonga maro ireo tsy afaka fa mbola miasa amin’ny andavanandro.